TARANJA FIKH

V1 - Ny fahadiovana (TWAHARA) : Fidiovana amin'ireo loto kely sy lehibe eo amin'ny vatana na fitafy.
Ny fanadiovana ny loto hita maso (AL-KHABATHI) : io dia fanasan'ny mpino iray ireo loto amin'ny vatany na amin'ny fitafiny na eo amin'ny toerana iray hanaovany fanompoana Swalat.
Ny fanadiovana ny loto tsy hita maso (AL-HADATHI) : Fidiovana masina izay atao amin'ny alàlan'ny Ouzou sy fandrona (Ghousl) amin'ny rano madio na TAYAMMOUM ho an'izay tsy mahita sy tsy afaka mampiasa rano.

V2 : Sasaina amin’ny rano mandra-pahadiony.
Fa amin’izay nolelafin’ny alika kosa dia sasaina im-pito ka ny voalohany amin'izany dia atomboka amin'ny fotaka.

V3 : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Rehefa manao Ouzou ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany". Rehefa manasa ny tànany anakiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tànany ihany koa ireo fahotana rehetra nataon'ny tànany". Rehefa manasa ny tongony anakiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tongony ireo fahotana rehetra nataon'ny tongony". na "mivoaka miaraka amin'ny rano farany milatsaka". Farany dia "Mivoaka madiodio amin'ireo fahotana rehetra vitany". [Notaterin'i Moslim].

V4 : Sasaina in-telo ny felan-tànana.
Avy eo dia manotsam-bava sy mampiditra rano kely amin'ny orona ary dia avoaka, Izany dia atao in-telo.
Fanotsanambava (Al-Madhmadha) : Fampidirana rano ao am-bava avy eo ahontsakontsana ary ariana.
Fanadiovana orona (Istinshaq) : Fampidirana rano kely miaraka amin'ny rivotra ao amin'ny orona avanana.
Famoahana azy (Tastanthir) : Famoahana ilay rano amin'ny orona havia.
Avy eo dia manasa tarehy in-telo.
Avy eo dia manasa ny tànana roa hatreo amin'ny kiho.
Avy eo dia safoina ny loha manomboka eo amin'ny fiandohany ka hatrany amin'ny fihafarany, ary safoina koa ny sofina roa.
Avy eo manasa in-telo ny tongotra roa hatreo amin'ny kitro.
Izany no fomba feno indrindra amin'ny fanovana Ouzou, ary izany dia voaporofo tamin'ny nataon'ny Mpaminany (S.A.W), izay voarakitra ao amin'ny bokin'i Boukhariou sy Mouslim, izay notaterin'i Outhman sy i Abdoullahi Ibn zaid sy ankoatr'izy roa. Mbola voarakitra ao amin'ny bokin'i Boukhariou sy ankoatrany fa i Mpaminany (S.A.W) nanao ouzou ka nanasa indray mandeha fotsiny, ary nanasa indroa ihany koa, izay midika fa nanao ouzou ka nanasa ireo rantsana rehetra indray mandeha na indroa.

V5 : Tsy mampanan-kery ny Ouzon'ny mpino silamo iray raha nanambela iray amin'izy ireto.
1-Fanasana ny tarehy ary tafiditra ao anatin'izany ny fanotsanam-bava sy fanadiovana kely ny orona.
2-Fanasana ny tànana roa ka hatramin'ny kiho.
3-Fisafoana ny loha miaraka amin'ny sofina roa.
4-Fanasana ny tongotra roa ka hatramin'ny kitro.
5-Ny filaharany amin'ny fanasana ireo rantsana, miatomboka amin'ny fanasana ny tarehy, avy eo ny tànana roa, avy eo ny fisafona ny loha, ary ny fanasana tongotra roa.
6-Dikan'ny AL-MOUWALAT : izy io dia fanadiovana Ouzou ao anatin'ny fotoana mifampitohy, tsy misy elanelana mandra-pahamainan'ny rano eny amin'ny rantsana sasana.
-Tahaky ny olona manao Ouzou antsasany ihany, avy eo mamita izany amin'ny fotoana hafa, dia tsy manan-kery ny Ouzou nataony.

V6 - Ireo fanampin-javatra (Sounnah) amin'ny Ouzou : Midika fa raha nanao azy ianao dia hahazo valisoa fanampiny, Raha navelanao kosa dia tsy misy fahotana ho anao, ary manan-kery ny Ouzou nataonao.
1-Ny fitenenana BISMILLAHI.
2-Ny fiborisiana nify amin'ny siwak.
3-Fanasana ny felan-tanàna roa.
4-Fandemana elanelan'ireo rantsan-tànana.
5-Ny fanasana fanindroany sy fanintelo ireo ratsana.
6-Ny fanombohana amin'ny ankavanana.
7-Ny fanaovana Douan aorian'ny Ouzou. "Achadou An Lailaha Illahou, wahdahou la Charika lahou, Wa Achadou Anna Mouhammadan Abdouhou Warasoulouhou". Izay midika hoe: "Mijoro vavolombelona aho fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah irery ihany tsy misy mpikambana aminy, ary mijoro vavolombelona koa aho fa i Mouhammad dia mpanompon'i Allah no sady irany.
8-Ny fanaovana Swalat 2 Rakkats aorian'ny Ouzou.

V7 : Ireo rehetra mivoaka avy any amin'ny taovam-pananahana ankiroa aloha sy aoriana amin'ny vatan'ny zanak'olombelona, toy ny amany na tay na hetotra.
-Ny torimaso, na fahalasana adala, na tsy fahatsiarovan-tena.
-Fihinanana ny henan'ny rameva.
-Fitsapana ny taovam-pananahana aloha na aoriana amin'ny tanàna tsy misy manasaraka azy.

V8 : Ny Tayammoum dia fampiasana tany na vatokely, rehefa tsy mahita rano na tsy afaka mampiasa azy.

V9 : Kapoina indray mandeha amin'ny tany ny felan-tanàna roa, avy eo safoina indray mandeha amin'ny tarehy sy eo amin'ny lamosin'ny fela-tànana roa.

V10 : Izay rehetra manimba ny Ouzuo dia manimba nyTayammoum.
- Ary rehefa mahita rano.

V11 : Ny AL-KHAFFAINY dia ireo zavatra vita amin'ny hoditra tafian'ny tongotra.
Ny AL-JOURABAINY : Ireo zavatra tafian'ny tongotra tsy namboarina tamin'ny hoditra.
Ary safoina fotsiny eo ambonin'izy roa fa tsy manasa tongotra.

V12 : Ny fanamorana sy ny fanamaivanana amin'ireo mpanompon'i Allah, indrindra amin'ny fotoana mangatsiaka sy ririnina ary eo am-pandehanana lavitra, Satria mavesatra amin'ny olona hanala ny kiraro amin'ny tongony.

V13 : Madio, izany hoe mila manana Ouzo mialohan'ny hanaovanao ilay kiraro.
2-Mila madio ihany koa ilay kiraro, Satria tsy azo atao misafo eo ambinin'ny zavatra maloto.
3-Ny kiraro dia mila mahasarona tanteraka ilay faritra tokony ho sasana rehefa manao Ouzou.
4 -Ny fiisafoana dia ao anatin'ny fe-potoana voafetra, ny eto an-toerana dia tsy mitovy velively amin'ireo mpandeha lavitra, ny olona eo an-toerana dia misafo indray andro sy indray alina (24h), ny mpandeha lavitra kosa dia telo andro sy telo alina (3 jours).

V14 : Ny fomba fisafoana dia tahak'izao : Mametraka ny rantsan-tànany lena amin'ny rantsan-tongony, avy eo safoiny moramora miakatra makany amin'ny ranjony, ka ny tànana havanana misafo ny tongotra havanana, ary ny havia safoina amin'ny tànana havia, ary ajanony izany rehefa avy nisafo fa tsy averina intsony.

V15 - 1 : Fataperan'ny fe-potoana, ka tsy azo atao intsony misafo amin'ny bakiraro aorian'ny fahataperan'ny fe-potoana voafaritry ny lalàna, iray andro sy alina iray ho an'ny eo an-tanàna, ary telo andro sy telo alina ho an'ny mpandeha.
2-Fanesorana ilay bakiraro, ka rehefa noesorin'ny olona ilay bakiraro na iray amin'izy roa taorian'ny nisafoana taminy dia simba ny Ouzou.

V16 - Ny Swalat dia fanompoana an'i Allah izay atao amin'ny teny sy fihetsika manokana, nosokafana tamin'ny fitenenana Allahou Akbar (Takbir) ary mifarana amin'ny fitenenana Assalam Alaikoum (Taslim).

V17 : Ny Swalat dia voadidy tsy maintsy ataon'ny mpino tsirairay.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marina fa ny Swalat dia voasoratra ara-potoana ho an'ireo mpino). [Sourat An-Nissa :103].

V18 : Ny olona mpamela ny swalat sy manao tsintsinona azy dia tsy mpino. Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny fifanekena eo amintsika sy amin’izy ireo dia ny Swalat, ka izay namela azy dia efa tsy nino".
Notaterin'i Imam Ahamadi sy Tirmiziou ary hafa ankoatr'izy roa.

V19 : Swalat in-dimy isan'andro sy alina, Swalat Fajri : 2 Rakkats, Swalat Zouhri : 4 Rakkats, Swalat Asri : 4 Rakkats, Swalat Maghrib : 3 Rakkats, Swalat Ichaa : 4 Rakkats.

V20 : Mila mpino silamo satria tsy manan-kery ny Swalat ataon'ny olona tsy mpino.
2-Salama saina, ary tsy manan-kery swalat ataon'ny olona adala.
3-Mahay manavaka ny mety sy ny tsy mety, Tsy manan-kely Swalat ataon'ireo zaza tsy mbola mahay manavaka.
4-Ny finiavana.
5-Fidiran'ny fotoana.
6- Ny fahadiovana amin'ny loto ara-pinoana (tsy hita maso).
7-Ny fahadiovana amin'ny loto hita masao.
8- Ny fanakonana ny henatra.
9-Ny fitodihana any amin'ny Quiblat.

V21 : Miisa efatra ambin'ny folo (14) ireo fototra, ka ireto avy izany :
-Voalohany amin'izany : Ny fitsanganana hoan'izay mahavita mitsangana.
-Ny Takbir voalohany : Izany dia amin'ny alàlan'ny fitenenana hoe : Allah Akbar.
-Famakiana ny Sourat Al-Fatiha.
-Ny fihondrehana, atao mahitsy tsara ny lamosina rehefa mihondrika ary mitraka ny loha.
-Ny fitsanganana arian'ny fihondrehana.
-Ny fitsanganana mahitsy.
- Ny fiankohofana, Mila mipetaka amin'ny tany avokoa ny andrina sy ny orona, felatànana anakiroa, ny lohalika roa, ary ny lohan'ireo rantsa-tongotra anakiroa rehefa miankohoka.
-Miarina kely aorian'ny fiankohofana.
-Ny fipetrahana kely eo anelanelan'ny fiankohofana anakiroa.
-Ary ny Sunnat : Dia ny fipetrahana mitongilana kely any amin'ny tongotra havia ary velarina misokatra kosa ny tongotra havanana ary mitodika any amin'ny Quiblat.
-Ny fitoniana : io dia filaminan'ny fihetsika rehetra atao.
-Ny TACHAHOUD farany.
-Ny fipetrahana eo am-panatanterahana ny TACHAHOUD.
-Ny fitodihana in-droa : Mitodika ankavanana ny loha ary miteny hoe: Assalam Alaikoum Warahamtaoullahi, avy eo dia mitodika ankavia indray ny loha ary miteny : Assalam Alaikoum Warahamtoullahi.
-Ny filaharan'izy ireo : Tahaky ny voalazantsika teo aloha, Raha ohatra ka niankohoka ianao mialohan'ny fihondrehana dia tsy mety ny Swalat nataonao ka mamerina mihondrika avy eo vao miankohoka.

V22 : Ireo zavatra tsy maintsy atao amin'ny Swalat dia miisa valo (8) ka ireto avy izany :
1-Ireo Takbir : Ny fitenenana Allah Akbar isaky ny manova fihetsika, ankoatr'ilay fitenenana Allah Akbar amin'ny fiandohan'ny Swalat.
2-Ny fitenenana : "Samiallahou Liman Hamidah" ho an'i Imam mpitarika sy izay manao Swalat mitokana.
3-Ny fitenenana ny hoe : "Rabbana Walakalhamdou".
4-Ny fitenenana hoe: "Soubhana Rabyal-Azim" indray mandeha eo am-pihondrehana.
5-Ny fitenenana hoe: "Soubhana Rabyal-Aa'la" indray mandeha eo am-piankohofana.
6-Ny fitenenana hoe: "Rabigh-firly" rehefa mipetraka eo anelanelan'ny fiankofana roa.
7-Ny TACHAHOUD voalohany.
8-Ny fipetrahana manao TACHAHOUD voalohany.

V23 : Miisa 11 izy ireo ka ireto avy izany :
1-Ny fitenenana hoe : "Soubhanakallahoumma Wabihamdika, Watabarakasmouka, Wataala Jaddouka, Walaailaha Ghairouka", io no antsoina hoe : Douan fanokafana ny Swalat.
2-Ny fangatahana fiarovana ka miteny hoe : "Aouzoubillahi Minacchaitwani-Rajim".
3-Ny fitenenana : "Bismillahi-Rahmani-Rahim".
4-Ny fitenenana : "Amine".
5-Ny famakiana ireo sourat aorian'ny Sourat Al-Fatiha.
6-Ny famakiana mafy ho an'ilay mpitarika (Imam).
7-Ny fitenenana ny teny hoe : "Mil'oo Samawaty, Oa-Mil'oo Ardwy, Oa-Mil'oo Maachiita Min Chaiyn Baadah". aorian'ny teny fiderana.
8-Izay rehetra fanampiny amin'ireo teny tenenina eo am-pihondrehana sy eo am-piankohofana, Izany hoe : Ny teny faharoa sy fahatelo sy izay fanampin'izany.
9-Izay fanampiny amin'ireo teny fiderana eo am-piankohofana.
10-Izay teny fanampiny amin'ilay teny "Rabighfirly" eo anelanelan'ny fiankohofana anakiroa.
11-Ny fandefasana tso-drano ho an'i Mpaminany (S.A.W) eo amin'ny TACHAHOUD farany sy ny Douan rehetra atao aorian'izany.
Fahaefatra :
Ireo fomba amam-panao ara-pihetsika antsoina hoe : AL-HAYAATI.
1-Ny fampiakarana ny tànana roa miaraka amin'ny fitenenana hoe : ALLAHOU AKBAR".
2-Ny fampiakarana ny tànana roa rehefa hiondrika.
3-Ary rehefa mitsangana aorian'ny fihondrehana.
4-َAry ampidinina moramora aorian'izany.
5-Ny fametrahana ny tànana havanana eo ambonin'ny tànana havia.
6-Ny fijerevana eny amin'ny toerana hiankohofana.
7-Ny fampisarahana ny tongotra eo am-pitsanganana.
8-Ny fametrahana tànana roa eo amin'ny lohalika roa rehefa mihondrika, ary amphahitsina tsara ny lamosina miaraka mahitsy amin'ny loha.
9-Mila afantoka sy mipetaka tsara ireo teboka tokony hipetaka amin'ny tany eo am-piankohofana.
10-Ny vatana manontolo dia mila mahitsy avokoa, ny taova mila mihataka amin'ny vatana ary ny kibo mila mihataka amin'ny fehy ankiroa, ary ny fehy roa mila mihataka amin'ny lohalika roa, ary ny lohalika roa mila mifampihataka ihany koa ary ny tongotra roa, eo am-pitsanganana dia mila mifampihataka, ary ny ratsan-tongotra rehetra dia mila mifikitra amin'ny tany, ary ny tànana dia mila mivelatra tsara sy mikombona mifanitsy amin'ny sorika.
11-Ny fivelarana rehefa mipetraka eo anelanelan'ny fiankohofana roa, sy Tachahoud voalohany, ary fitongilanana kely amin'ny Tachahoud faharoa.
12-Ny fametrahana tànana mitsotra eo ambony fehy ary ny ratsan-tànana dia mikombona avokoa eo am-piankohofanana, torak'izany ihany koa rehefa manao ny Tachahoud, fa ny amin'ny Tachahoud kosa dia akombona mihidy avokoa ny ratsanana havanana fa sokafana sy atondro ny lavitondro manaraka ny ankibe rehefa miteny ilay teny voatokana amin'izany.
13- Ny fitodihana ankavanana sy ankavia rehefa mamarana ny Swalat.

V24 - (1) : Ny famelàna iray amin'ireo fototry ny Swalat na iray amin'ireo fepetra mamehy ny Swalat.
(2) Ny firesahana fananiana.
(3) Ny fihinanana sy ny fisotroana.
(4) Ny fihetsehana im-betsaka izay mifampitohy.
(5) Ny famelana fananina ny iray amin'ireo zavatra tsy maintsy atao amin'ny Swalat.

V25 : NY FOMBA FANAOVANA SWALAT :
1-Mitodika any amin'ny Quiblat ny vatana manontolo, tsy mila mivilambilana na mitoditodika.
2-Avy eo mametraka finiavana fa hanao Swalat izay tiany hatao ao am-po fa tsy tononina.
3-Avy eo miteny hoe: Allahou Akbar, mampiakatra ny tànany anakiroa hatreo amin'ny soroka eo am-pitenenana ny Allahou Akbar (ilay TAKBIR).
4-Avy eo dia mametraka ny felatanany havanana eo an-damosin'ny felatanany havia eo amin'ny tratrany.
5-Avy eo sokafana amin'ny teny manao hoe : "Allahoumma Bayd Baini Wa Baina Khatwa-yia Kama Ba'adeta Baina Al-machriki Wal-Magrib, Allahoumma Naquini Min-khatwayat Kama Younaqua Thaoubal-Abyadhi Mina-danasy, Allahoummaghsilni Min khatwayat Bil-Maa'ii Whathalji Wal-baradi".
Na koa miteny hoe :
"Soubhanakallahoumma Wabihamdika, Watabarakasmouka, Wataala Jaddouka, Walaailaha Ghairouka".
6-Avy eo mangataka fiarovana amin'i Allah ka miteny hoe : "Aouzoubillahi Minashaytwanir-Rajim". 7-Avy eo manao Bismillahi dia mamaky Sourat Al-Fatiha ka miteny toy izao : (Bisimillahi Rahmani Rahim)1. 2- Alhamdoulillahi Rabbil-Alamina 2 3- Ar-rahmani Rahim 3. 4- Maliki Yawmiddine 4. 5- Iyaka Naaboudou wa iyaka Nastaiine 5. 6- Ihdina-swiratal Moustaquim 6. 7-Swaratalazina Ann'amta Alaihim, Ghairil-Maghdoubi Alaiyhim Wala-dhaaline. [Sourate-Al-Fatihat : 1-7].
Avy dia miteny manao hoe :
(AMINE) izay idika hoe : Tompo Allah Oh ! raiso sy valio ny hatakay.
8-Avy eo dia mamaky izay vitany vakina amin'ireo Sourat ao amin'ny Coran, ary aoka hanalava ny famakina ny Sourat amin'ny Swalat Fajri.
9- Avy eo dia miondrika, izany hoe : mampidina ny lamosina ho fanomezam-boninahitra an'i Allah, no sady miteny hoe : Allahou Akbar, ary mampiakatra ny tànany mifanandrify eo amin'ny sorika. Fa ny tena Sounat : dia ny manatsotra ny lamosiny, ary manatràka ny loha, ary mamela ny fela-tànany roa eo ambonin'ny lohalika roa, mivelatra sy misaratsaraka tsara ny ratsan-tànana.
10 - Ary eo am-pihondrehana dia miteny hoe : "Soubhana Rabiyal Azim Wa bihamdihi" in-telo, fa raha ampiana ilay teny hoe : "Soubohanaka Alloahouma Oabi-Hamidika, Alloahouma-ghoufiri-ly" dia tsy maninona.
Avy eo mampiakatra ny lohany dia miteny hoe :
"Samiallahou liman hamida", ary mampiakatra ny tànana roa ambony mitovy hahavo eo amin'ny sorika. Ireo mpanaraka ny Imam kosa dia tsy miteny "Samiallahou liman hamida", fa avy hatrany dia soloiny ilay teny hoe : "Rabbana walakal hamdou."
12- Ary miteny aorian'ny fitrakana hoe : "Rabbana walakal hamdou, Mil'ousamawati Wal'ardhi, Wamil'ou MaChiita Min Chayin Baad".
13- Avy eo dia miankohoka amin'ny fiankohofana voalohany, ary miteny eo am-piankohofana hoe : "Allahou Akbar", ary miankohoka amin'ireo ratsan-taova fito : Ny tarehy miaraka amin'ny Orona, Felan-tànana roa, Lohalika roa, Lohan'ireo ratsan-tongotra roa ary atao mitsotra tsara, ary tsy mipaka amin'ny tany ny sandry roa.
14 - Ary miteny eo am-pihondrehana hoe : "Rabbiyal Aa'laa wabihamdihi" in-telo, fa raha ampiana ilay teny hoe : "Soubohanaka Alloahouma Rabbana Oabi-Hamidika, Alloahouma-ghoufiri-ly" dia tsy maninona.
15- Avy eo mampiakatra ny lohany ary miteny hoe : "Allahou Akbar".
16- Avy eo mipetraka eo anelanelan'ny fiankohofana anakiroa ka hipetrahana ny felan-tongotra havia ary atsotra mitehina amin'ny tany kosa ny ratsan-tongotra havanana, ary apetraka eo ambonin'ny fe ny ratsan-tànana dia akombona, fa ny fanondro ihany no atsotra sady ahetsiketsika rehefa eo am-panaovana Douan,fa ny ratsan-tànana amin'ny ilany havia kosa dia atsotra mipetraka eo ambonin'y fe manakaiky ny lohalika.
17- Ary miteny eo amin'ny fipetrahana kely manelanela ny fiankohofana roa hoe : "Roabi-ghoufiri-ly, Oari-hamony, Oa-hadiny, Oro-zokony, Oadji-borony,Oa-anfiny".
18- Avy eo dia miankohoka fanindroany tahaky ny tamin'ny voalohany dia mitovy ny zavatra tenenina sy atao, ary miteny Allah Akbar eo am-piankohofnana.
19- Avy eo miarina avy amin'ny fiankohofana fanindroany miteny manao hoe : "Allahou Akbar" ka manohy rakkat faharoa tahaky ny tamin'ny voalohany ary mitovy ny zavatra tenenina sy atao, saingy tsy manao Douan fanokafana fotsiny.
20- Avy eo mipetraka rehefa nahavita ny Rakkat faharoa ary miteny hoe : "Allahou Akbar", ary mipetraka tahaky ny fipetrahany teo anelanelan'ny fiankohofana anakiroa.
21- Ary mamaky ity teny TACHAHOUD ity eo am-pipetrahana : "Attahiyatou Lillahi waswalawatou watwaybatou; Assalamou alaika ayouhan Nabiou warahmatoullahi wabarakatouhou. Assalamou alaina wa aa'la Ibadillahi swalihina. Ash'hadou An la'ilaha illallahou wa Ash'hadou nna Mouhammadan abdouhou warasoulouhou. Allahoumma Swalli aa'la Mouhammadin Wa aa'la aa'li mouhammadin kama swallaita aa'la Ibrahima Wa aa'la aa'li Ibrahima Innaka hamidoun madjid". Aouzoubillahi Min Azabi Jahannam, Wamin azabil-Quabri, Wamin Fitnatil-Mahya Walmamati, Wamin Fitnatil-Masihou Dajjal". Avy eo mangataka amin'i Allah amin'ireo hataka tiany indrindra mba ahazoany hatsarana eto an-tany sy any an-koatra.
Avy eo mitodika ankavanana miteny hoe :
Assalamou Alaikoum Warahmatoullahi", ary mitodika ankavia ihany koa dia miteny tahak'izany.
23- fa raha ohatra ka ny Swalat 3 na 4 Rakkats dia mijanona eo amin'ny fihafaran'ny Tachahoud voalohany, dia ny fitenenana hoe : "Achhadou An-Lailaha Illahou Wa Achadou Anna Mouhammadan Abdouhou Warasoulouhou".
24 - Avy eo mitsangana ka miteny manao hoe : "Allahou Akbar", ary mampiakatra ny felatànany roa eo amin'ny sorony.
25 - Avy eo manohy ny sisa ami'ny Swalat toy ny nataony tamin'ny Rakkat faharoa, Saingy mifarana amin'ny famakiana Souart Al-Fatiha ihany.
26 - Avy eo mipetraka, fa ny fipetrahana amin'ny fomba mamarana ny Swalat, dia arirana aty ankavia ny vatana, ary ny tongony havia dia mivoaka avy ao ambanin’ny ranjony ankavanana, ary afaka mipetraka amin’ny tany izy, ary mametraka ny tànany eo amin’ny feny araka ny fomba nametrahany azy tamin’ny Tachahoud voalohany.
27-Ary vakina eo amin'ny fipetrahana eo ny Tachahoud rehetra.
28 - Avy eo dia mitodika ankavanana manao Salam ka miteny manao hoe: "Assalamou Alaikoum Warahmatoullahi", ary mitodika ankavia ihany koa dia miteny tahak'izany.

V26 : Fitenenana "Astaghfiroullahi" in-telo.
-"Astaghfiroullahi! Astaghfiroullahi! Astaghfiroullahi! Allahoumma anta salamou wa minka salamou tabarakta ya zal djalali wal ikramou".
-"La ilaha illallahou wahdahou la sharika lahou; lahoul moulkou walahoul hamdou wahou ala koulli Shai'in Quadir. Allahoumma la Maa'nioun lima aa'twaita wala mou'twia lima manaa'ta wala yanfaa' Zal djaddi minkal djaddi".
- "La ilaha illallahou wahdahou la sharika lahou; lahoul moulkou walahoul hamdou wahou ala koulli Shai'in Quadir, La-haoula Oala Kou-Oata Y-la Billahy, La-yllaha Y-lla-loaho,Oa-la Nan-boudo Y-la y-yahou,Laou-Neymato Oa-lahoule-fadhoulo,Oa-lahoule-phanaoule-Hassana, La-yllaha Y-lla-loaho Mokholosi-na lahou-Dina, Oa-lao-karihale- Kafirona".
- "Soubhanallahi" in-33.
-"Alhamdoulillahi" in-33.
-"Allahou Akbar" in-33.
Avy eo fenoina zato amin'ny teny hoe :
"La Ilaha Illallahou Wahdahou La Sharika Lahou; Lahoul Moulkou Walahoul Hamdou Wahou Ala Koulli Shai'in Quadir".
Avy eo mamaky Sourat Al-Ikhlass sy ireo Fiaraovana anakiroa (Quoul-Aouzou birabil-Falaq sy Quoul Aouzou Birabin-Nasi). In-telo siaky ny vita swalat fajri sy maghrib, ary indray mandeha fotsiny aorian'ny swalat hafa.
-Ary mamaky Ayatoul-Koursiou indray mandeha.

V27 : 2 Rakkats mialohan'ny Swalat fajri.
- 4 Rakkats mialohan'ny Swalat Zouhri.
- 2 Rakkats aorian'ny Zouhri.
- 2 Rakkats aorian'ny Maghrib.
- 2 Rakkats aorian'ny Ichaa.
Valisoany :
Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Izay nanao Swalat 12 Rakkats antsitrapo ao anatin'ny andro sy alina, dia hanamboaran'i Allah lapa lehibe any amin'ny Paradisa". [Notaterin'i Mouslim sy Ahamad ary ny ankoatr'izy roa].

V28 : Ny andro Zoma, niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny andro tsara indrindra dia ny andro zoma satria tamin'izany no namoronana an'i Adama, tamin'izany no nahafatesany, amin'io no notsofina ny trompetra, ary amin'io no hamohana anareo ao am-pasana ka ataovy betsaka ny fiderana sy vavaka ho ahy satria ny vavakareo dia asehon'i Allah amiko". Hoy izy ireo : Oh ry Irak'i Allah amin'ny fomba ahoana no anehoana ny fiderana sy vavakanay aminao nefa efa ravana sy vovoka ianao? dia namaly izy manao hoe : "Tompo Allah nandrara ny tany tsy hihinana vatan'ireo mpaminany". [Notaterin'i Abo Dawod sy Tirmizi ary ny ankoatr'azy].

V29 - Voadidy amin'ny lehilahy mpino silamo feno taona sy manan-tsaina ary eo an-tanàna.
Niteny i Allah manao hoe :
(O ianareo mpino, rehefa tonga ny antso ho amin'ny vavaka fanompoana amin'ny andro zoma, dia mihazakazaha ho any amin'ny antson'i Allah ianareo ka avelao ny asa fandraharahana rehetra, Satria tsara ho anareo izany raha fantatrareo). [Sourat Al-Jouma : 9].

V30 : Miisa 2 Rakkats amin'ny Swalat Jouma ary mamaky mafy ny Imam eo ampanatanterahana azy, ka misy toriteny anakiroa mialohan'izany.

V31 : Tsy azo atao mingitrika tsy manatrika ny Swalat Jouma raha tsy izay manana sakana goavana eken'ny lalàna, izany dia efa voalazan'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny Hadith manao hoe : "Izay namela ka tsy nanatrika ny Swalat Jouma in-telo dia efa nanao tsinotsinona azy ka notomboin'i Allah tombokase ny fony". [Notaterin'i Abo Dawod sy ny ankoatra azy].

V22 :
1- Ny fandroana (fisehana).
2- Ny fanaovana ranomanitra.
3-Fitafina lamba tsara indrindra.
4-Ny fahatongavana mialoha eny amosquée.
5-Ny fandefasana tso-drano sy fandriampahalemana amin'ny Mpaminany (S.A.W).
6-Ffamakiana ny Sourat Al-kahfi.
7-Ny fandehanana tongotra eny amin'ny mosquée.
8-Fitadiavana ilay ora hamalian'i Allah ny Douan.

V33 : Notaterin'i Abdoullahi Ibn Oumar (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny vavaka iombonana (Swalat Jamaa) dia tsara lavitra ary ahazoana fahasoavana 27 mihoatra ny swalat atao mitsitokatokana ". [Notaterin'i Moslimo].

V34 : Izy io dia fifantohan'ny fo amin'izay ataony sy fitonian'ireo rantsana rehetra.
Niteny i Allah manao hoe :
(Henika ny fahasambarana tanteraka ireo mpino) 1. (Izay manetry sy mifantoka amin’ny fanompoana (Swalat) ataony 2. [Sourato Al-mou Minouna : 1,2].

V35 : Izy io dia ampahan-karena tsy maintsy avokan'ny andian'olona ary omena an'ireo vondron'olona voatokana amin'izany ary amin'ny fotoana voafaritra.
-Ary izy io (Zakat) dia iray amin'ireo andry hijoroan'ny finoana Islam, ary fanomezana izay alaina amin'ny harean'ireo mpanankarena ka omena ny mahantra.
Niteny i Allah manao hoe :
{Ary avoahinareo ny Zakat}. [Sourate-Al-Baquarat :43].

V36 : Tsy Zakat izy io, fa toy ny fanomezana zavatra iray asa soa ary amin'ny fotoana rehetra.
Niteny i Allah manao hoe :
- (Ary mamoaha fanomezana amin'ny làlan'i Allah ianareo). [Sourate-Al-bakarat :195].

V37 - Ny Fifehezana dia fanompoana an'i Allah amin'ny alàlan'ny fitazonan-tena tsy misakafo sy tsy misotro manomboka amin'ny maraina vao mangiran-dratsy ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro miaraka amin'ny finiavana. Izy io dia roa karazana :
Fifehezana tsy maintsy atao : Toy ny Fifehezana amin'ny volana Ramadan, Ary izy io iray amin'ireo fototra hijoroan'ny Islam.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ô Ianareo izay nino ! Voadidy ho anareo ny fifehezana toy ny nandidiana izany tamin'ireo vahoaka teo alohanareo, angamba hitoetra ao am-ponareo ny fahatahorana". [Sourate-Al-baquarat :183].
Ary ny fifehezana an-tsitrapo (tsy obligatoire)
, dia toy ny fifehezana atao ny Alatsinainy sy ny Alakamisy isan-kerinandro, sy ny fifehezana in-telo isam-bolana, ny tena tsara sy mendrika amin'izany dia ny andro fotsy (Ayamoul-Bi-dhy - 13,14,15), amin'ny fanisana andro amin'ny volana.

V38 : Notaterin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny fo feno fanatenana ahazo valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha". Boky Boukhariou sy Mouslim.

V39 : Notaterin'i Saiid AL-Khoudriou (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Tsy nisy mpanompo nifehy iray andro amin’ny làlan’i Allah (noho ny tompo Allah) afa-tsy hoe hohalavirin’i Allah im-pitopolo KHARIFA amin’ny Afobe tavan'ilay olona”. Notaterin'i Boukharioui sy Mouslim.
- Ny dikan'ny teny 70 kharifa dia : Fitopolo taona.

V40 : 1-Ny fihinanana sy fisotroana fananiana.
2- Ny fandoavana fananiana.
3- Ny fialàna amin'ny finoana Islam.

V41 : 1-Ffanafainganana ny famahana ny Fifehezana (amin'ny hariva).
2- Ny fihinanana Souhour amin'ny maraina sy fanatarana azy.
3- Ny fampitombona ireo asa soa sy ny fanompoana.
4-Famalian'ny mpifehy vava raha nisy nanompa izy hoe : "Izaho mifehy".
5- Ny fanaovana Douan eo am-pamahana fifehezana.
6- Ny famahana fifehezana amin'ny atrendry, fa raha tsy mahita dia rano tsotra.

V42 : Ny HADJ dia fanompoana an'i Allah ilay avo Tsitoha, ho any amin'ny trano masin'i Allah miaraka amin'ny fanaovana asa voatokana amin'izany ary amin'ny fotoana voatokana ihany koa.
Niteny i Allah manao hoe :
{Adidin’ny olombelona manoloana an’i Allah ny mitsidika ilay trano Masina indrindra fa ho an’ireo olona izay afaka mandeha manao izany. Ary izay mitsipaka an'izany kosa dia tena marina fa i Allah tompon'ny harena ary tsy mila an'izao tontolo izao". [Sourate-Àal-'imran : 97].

V43 - Ny Ihram (lamba fotsy).
2-Ny fijoroana eo amin'ny toerana Arafa.
3-Ny Twawaf (Fihodikodinana im-pito eo amin'ny Kaaba).
4-Fivezivezena eo anelanelan'ny tendrombohitra roa Swafa sy marwa.

Valiny44 : Hoy i Abou Houraira (R.A) : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe:: "Izay nanao fivahiniana masina (Hadj) ho an'i Allah ka tsy namoaka teny na fihestika fahavetavetana sy fahalotoam-pitondrantena, dia tahaky ny niterahan-dReniny azy izy rehefa miverina amin'ny tanànany (madio tsy misy fahotana)". [Notaterin'i Boukhariou sy ankoatra azy].
- "Tahaky ny niterahan-dReniny azy" : Midika fa tsy misy fahotana.

V45 - Ny Oumra : Fanompoana an'i Allah amin'ny alàlan'ny fandehanana any amin'ny trano masin'i Allah (ao Makkat) ka manatanteraka asa voatokana amin'izany ary amin'ny fotoana rehetra.

V46 : Ny Ihram.
2-Ny Fihodikodinana im-pito eo amin'ny Kaaba (Twawaf).
3-Fivezivezena eo anelanelan'ny tendrombohitra Swafa sy Marwa.

V47 : Fiezahana sy ny fikirizana amin'ny fampielezana ny finoana Islam ary fiarovana azy sy ny vahoakany, na koa miady amin'ny fahavalon'ny finoana Islam sy ny vahoakany.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary manaova ezaka amin'ny fampiasana ny harenanareo sy ny tenanareo amin'ny làlan'i Allah. Izany no tsara aminareo raha mba fantatrareo". [Sourate-A-taobat : 41].