- TARANJA SAMIHAFA :

V1 :
1- Ny AL-WAJIB (Tsy maintsy atao).
2- Ny AL-MOUSTAHAB (Ny tsaratsara atao).
3- Ny AL-HARAM (Voarara).
4- Ny AL-MAKROUH (Tsy tsara atao).
5- Ny AL-MOUBAH (Azo atao).

V2:
1- Ny AL-WAJIB (Voadidy) : Toy ireo fanompoam-pivavahana Swalat Dimy isanandro, fifehezana amin'ny volana Ramadan ary fanajana ny Ray aman-dreny.
- Ny AL-WAJIB (Voadidy) : Hahazo valisoa izay nanatanteraka azy ary ho voasazy izay nanambela azy.
2- Ny AL-MOUSTAHAB (Tsaratsara atao) : Toy ireo Sounna Rawatib, Swalat amin'ny alina sy fampisakafoana mahantra ary fanaovana Swalam. Izany dia antsoina ihany koa Sounna na Mandoub.
- Ny AL-MOUSTAHAB : Hahazo valisoa izay manatanteraka azy ary tsy ho voasazy kosa izay nanambela azy.
- Fanamarihana lehibe :
Rehefa mandre ny mpino silamo iray fa Sunnah na Moustahab ny zavatra iray, dia tokony hanafaingana ny faanaovana azy, ho fanarahana ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W).
3- Ny AL-HARAM (Tsy azo atao) : Toy ny fisotroana toaka sy ny tsy fanajana ny ray aman-dreny ary fanapahana ny rohim-pihavanana.
- Ny AL-HARAM : Hahazo valisoa izay manambela azy ary ho voasazy ny manao azy.
4- Ny AL-MAKROUH (Tsy tsara atao) : Toy ny fandraisana sy fanomezana zavatra amin'ny tànana havia sy ny fanalavana ny lamba mihoatra ny felan-tànana amin'ny Swalat.
- Ny AL-MAKROUH : Hahazo valisoa izay misintaka azy, ary tsy voasazy izay manao azy.
5- Ny AL-MOUBAH (Azo atao) : Toy ny fihinanana paoma sy fisotroana dite, ary antsoina ihany koa hoe : HALAL sy azo atao.
- Ny AL-MOUBAH : Tsy hahazo valiso izay manambela azy ary tsy hahazo sazy izay nanao azy.

V3 : Ny fototra amin'ny resaka varotra sy ny fifampiraharahana rehetra dia ny ara-dalàna sy azo atao, afa-tsy ireo karazana zavatra izay noraran'i Allah.
Niteny i Allah manao hoe :
- (Ary nataon'i Allah ara-dalàna ny varotra fa norarany kosa ny fanjaham-bola". [Sourate-Al-baquara : 275].

V-
1- Ny fisolokiana, anisan'izany : fanafenana kileman'ny entana.
- Tatitra azo avy tamin' i Abi-Hourayrat (R.A), niteny hoe : "Indray andro i Mpaminany (S.A.W)) nandalo teo amin'ny mpivarotra sakafo (voamaina) ka nampidiriny tao anatin'ilay sakafo amidiny ny tànany, rehefa navoakany tao ny tànany dia lena. Teo izy niteny tamin'ilay mpivarotra : "Inona ity ry mpivarotra ?". Namaly azy ilay mpivarotra manao hoe : Tratran'ny ranon'orana avy any an-danitra izy io ry Irak'i Allah. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Nahoana no tsy napetrakao teo ambonin’ny sakafo izy io mba ho hitan’ny olona? Izay mamitaka dia tsy isan'ny mpiara-dia amiko". [Notaterin'i Mouslim].
2-Ry fampanjanaham-bola (Riba) : Toy ny mindram-bola 1 000 ariary amin'ny olona avy eo dia averina ho 2 000 ariary.
- Ka ilay fanampiny no zana-bola voarara.
Niteny i Allah manao hoe :
- ( (Ary nataon'i Allah ara-dalàna ny varotra fa norarany kosa ny fanjaham-bola). [Sourate-Al-bakarat : 275].
3- Fitaka sy tsy fahalalana: Toy ny hoe mivarotra rononon'ny ondry izay mbola tsy azo, na trondro anaty rano, nefa tsy mbola tsy voajono akory.
Amin'ny Hadith milaza manao hoe :
"Noraran'ny Mpaminany (S.A.W) ny fanaovana varotra am-pitaka". [Notaterin'i Mouslim].

V5 - 1 : Fahasoavan'ny finoana Islam, Satria tsy tao anatin'ireo fianaviamben'ny tsy mpino ianao.
2-Fahasoavan'ny Sounat : Tsy tao anatin'ireo fianakaviamben'ny mpanao forona ianao.
3-Fahasoavan'ny fahasalamana, toy ny fahasalaman'ny sofina, fahiratana, afaka mamindra soa aman-tsara sy ny ankoatr'izay.
4-Fahasoavan'ny sakafo sy ny zava-pisotro ary ny fitafy.
Ary ny fahasoavan'i Allah amintsika dia maro ary tena tsy voatanisa tokoa.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary raha mitanisa ny fahasoavan'i Allah ianareo, dia tsy ho voatanisanareo izany ary i Allah dia be famelan-keloka sy be Indrafo). [Sourat An-Nahli : 18].

V6 - Ny tsy maintsy atao : Fankasitrahana izany dia amin'ny alàlan'ny fiderana sy fisaorana an'i Allah irery amin'ny lela ary manaiky fa izy irery no tompom-pahasoavana, ary fampiasana io fahasoavana io amin'izay mahafaly an'i Allah, fa tsy sanatria akory amin'ny tsy fankatoavana azy.

V7 : Ny Eid AL-Fitri (Fetin'ny fisakafona) sy Eid AL-Ad'ha (fetin'ny sorona).
- Takak'ilay voarakitra amin'ny Hadith notaterin'i Annas, Rehefa tonga tao Madina i Mpaminany (S.A.W) dia nanana andro anakiroa filalaovan'izy ireo sy fety lehibe eo amin'izy ireo, dia nanontany i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Inona ity andro anakiroa ity?", Namaly izy ireo hoe : "io dia fety filalaovanay tamin'ny andron'ny habadoana", Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tompo Allah efa nanolo azy io amin'ny tsaratsara kokoa : Dia ny Eidoul-Ad'ha sy Eidoul-Fitri". [Notaterin'i Abou-daoudo].
Fa ny hafa ankoatr'izy roa io amin'ireo fety forona avokoa.

V12 : Ny tsy maintsy atao dia mampihondrika ny fijery, hoy i Allah manao hoe : - (Teneno amin'ireo mpino lahy mba hampidina ny fomba fijerin'izy ireo). [Sourate An-nour : 20].

1- Ny fanahy izay mamporisika amin'ny fanaovan-dratsy : Izany dia fanarahan'ny olonana izay lazain’ny tenany sy ny faniriany amin’ny tsy fankatoavana an’i Allah ilay Tsitoha, hoy i Allah manao hoe : - (Ny sitrapo dia mamporisika amin'ny ratsyraha tsy hoe noho ny famindram-pon'ny tompoko, tena marina fa mpamela heloka sy mpamindra fo ny tompoko). [Sourat Youssouf : 52]. 2- Ny satana (devoly) : Fahavalon'ireo taranak'i Adama (A.S) ary ny tanjony dia hanary sy handrebireby ny olombelona amin'ny haratsiana ary hampiditra azy ireo ao amin'ny Afobe. Hoy i Allah manao hoe : - (Ary aza manaraka ny famindran'ny devoly ianareo, tena marina izy io dia fahavalonareo mibaribary). [Sourat Al-Baquara : 168]. 3- Ireo namana ratsy : Manentana amin'ny ratsy, manakana amin'ny fanaoavana tsara. Hoy i Allah manao hoe : - (Amin’io andro io, dia ho mpifahavalo avokoa ireo mpinamana, afa-tsy ireo vonto-pinoana). [Sourat A-zouhrouf : 67].

V14 - Ny fibebahana : dia fiverenana avy any amin’ny tsy fankatoavana an’i Allah avo Tsitoha ho any amin'ny fankatoavana azy. Hoy i Allah manao hoe : (Ary tena mpamela heloka tokoa aho, ho an’izay mibebaka sy mino, ary manao asa soa, ka mizotra amin’ny làlana mahitsy. [Sourat Twaha : 82].

V15 - 1- Ny fiatahana tanteraka amin'ilay fahotana.
2-Ny fanenenana tamin'ny fanaovana ilay fahotana.
3-Ny fanapahan-kevitra ny tsy hiverina intsony amin’ilay fahotana.
4-Famerenana zon'ny olona nalainao ho any amin'ny tompony.
Niteny i Allah manao hoe :
135 - (Ary ireo rehetra nanao fahavetavetana na nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany, ka nahatsiaro an’i Allah ka nangataka avy hatrany famelana noho ireo heloka vitany, Ka iza moa no hamela heloka azy afa-tsy i Allah, ka tsy hamerina intsony izay nataony izy ireo ary efa fantatr'izy ireo izany". [Sourate-Àl-'imran : 135].

V16 : io dia midika fa mangataka amin’i Allah ianao mba hiderana sy hanomezana tso-drano ho an'ny Mpaminaniny (S.A.W) any amin’ny Avo indrindra.

V17 - Ny fiderana an'i Allah midika ho fanomezam-boninahitra sy fiderana azy manalavitra ny tsy fahampiana, lesoka sy kilema ary ny haratsiana rehetra.

V18 : Izay io dia fiderana sy fankasitrahana an’i Allah ilay Tsitoha, sy ny famaritana Azy amin’ny toetra feno tanteraka.

V19 : Izany dia midika hoe : Izy Allah no lehibe manoloana ny zava-drehetra, be voninahitra, avo, Tsitoha, ary matanjaka manoloana ny zava-drehetra.

V20 - Izany dia midika fa tsy misy zavatra mandalo sy miova eo amin'ny fiainan'ny mpanompo iray, ary tsy misy hery ho azy afa-tsy avy amin'i Allah irery ihany.

V21 : Fangatahan'ny mpanompo iray amin'ny tompony mba hamafana ny fahotany sy hanaronana ny fahadisoany.