- TARANJA HADISY :

V1 : Tatitra avy amin'ny lehiben'ireo mpino silamo, Abou Hafsi Oumar Ibn Al-Katwab (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Ny asa rehetra dia miainga avy amin'ny finiavana, ary ny tsirairay dia samy ahazo valin'ny fikasana nataony, Ka izay nifindra monina nohon'ny tompo Allah sy ny irany dia hahazo valisoan'ny fifindra monin'i Allah sy ny irany, fa raha nifindra monina noho ny fiainana eto an-tany na koa vehivavy ho vadiany, dia izay nokasainy ihany no ho azony". [Notaterin'i Al-Boukariou sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Ny asa rehetra izay atao dia mitaky ny finiavana, toy ny Swalat, fifehezana, Hadj, sy ankoatr'izay amin'ireo asa fanompoana.
2- Tsy maintsy natokana ho an'i Allah irery ihany ny finiavana.
Ny HADISY FAHAROA :

V2 : Tatitra azo avy amin'ny renin'ireo mpino silamo, Oummou Abdillahi, Aicha (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nitondra zava-baovao amin'ity finoantsika ity nefa zavatra tsy tao anatiny dia averina aminy". [Notaterin'i Boukhari sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Fandrarana ny famoronana amin'ny finoana.
2-Ny asa noforonona rehetra dia averina amin'ny tompony fa tsy azo raisina.
HADISY FAHATELO :

V3 : Tatitra avy tamin'i Oumar (R.A) niteny hoe : Indray andro izahay niara-nipetrapetraka teo amin’ny Mpaminany (S.A.W), dia nipoitra tampoka lehilahy mainty volo izay mitafy lamba fotsy, tsy hita eo amin’ny endriny ny manamarika fa mpiavy izy, ary tsy nisy nahalala azy na iray taminay. Nanantona izy ary nipetraka teo akaikin’ny Mpaminany (S.AW) ka napetrany teo amin’ny lohalin’ny Mpaminany ny lohaliny, no sady napetrany teo ambony feny ny tanany ka niteny izy nanao hoe : O ry Mouhammad! lazao amiko ny atao hoe Islam? Namaly i Mpaminany manao hoe : “Ny Islam dia ny fijoroanao vavolom-belona fa tsy misy tompo azo tompoina marina afa-tsy i Allah irery ihany, ary i Mouhammad dia irakin'i Allah, Ny fanangananao ny Swalat, Ny famoahanao ny Zakat, Ny fifehezanao amin’ny volana Ramadany, ary ny fanaovanao ny fivahinianana masina any Makkat raha afaka manao izany ianao. Niteny ilay lehilahy hoe : Marina ny voalazanao.Gaga taminy izahay, Satria manontany izy ary mbola manamarina ihany koa. Dia hoy izy nanohy ny fanontaniany : Lazao amiko ny atao hoe ny foto-pinoana (IMANI)? i Namaly Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny finoanao an’i Allah, ireo Anjeliny, ireo Bokiny, ireo irany, ny andro farany, ary ny lahatra tsara sy ny ratsy”. Dia niteny izy hoe : Marina ny voalazanao. Ary mbola nanontany izy : Lazao amiko ny atao hoe hatsarana, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : Ny hatsarana dia ny fanompoanao an’i Allah tahaky ny mahita azy, ary raha tsy mahita azy ianao, dia fantaro fa izy no mahita anao. Dia hoy ilay lehilahy hoe : Lazao amiko oviana ilay ora farany? Hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe: Na ilay anontaniana na ny mpanontany dia samy tsy misy mahalala momba izany. Mba ambarao ahy ary ny famantarana azy hoy ilay rangahy? Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Ny andevo vavy hiteraka ny tompony, ary ireo tsy mikapa sy tsy mitafy no sady mahantra, mpiandry ondry ho lasa mpanankarena ka hanangana trano avo lehibe mijoalajoala. Avy eo dia lasa ilay rangahy mpanontany. Afaka andro vitsivitsy dia nanontany ahy i Mpaminany (S.AW) hoe : "Fantrao ve ry Oumar iza no nanontany ahy iny?”, Dia niteny aho hoe : i Allah sy ny Irany ihany no mahalala, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) tamiko hoe : Iny Anjely Djibril tonga hampianatra anareo ny finoanareo. [Notaterin'i Moslimo].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Nanambara ireo fototry ny finoana Islam dimy, ireto avy :
Fijorona vavolombelona fa tsy misy tompo tompoina afa-tsy i Allah, ary i Mouhammad dia irak'i Allah.
Fananganana ny Swalat.
Famoahana ny Zakat.
Fifehezana amin'ny volana Ramadan.
Fivahiniana masina any amin'ny trano masin'i Allah.
2- Nanambara ireo fototra enina hijoroan'ny finoana, ireto avy :
-Finoana an'i Allah.
-Ireo anjeliny.
-Ireo bokiny.
-Ireo irany.
-Ny andro farany.
-Ny anjara tsara sy ny ratsy.
3- Nanambara momba ny fanaovan-tsoa, izy io dia manana fototra iray fotsiny, dia ny fanompoanao an'i Allah tahaky ny mahita azy, fa rehefa tsy hitanao izy, dia tadidio fa izy mahita anao.
4-Fotoana hahatongavan'ny andro farany, tsy misy mahafantatra izany afa-tsy i Allah irery ihany.
Ny HADISY FAHAEFATRA :

V4 : Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny tena manam-pinoana indrindra amin'ireo mpino, dia izay tsara toetra indrindra amin'izy ireo". Notaterin'i Tirimizi ary niteny izy nanao hoe : Hadisy Hassanoune Soahihy.
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1-Famporisiana amin'ny hatsaram-panahy.
2- Ny fahafenoan'ny fitondran-tenadia fahafenoan'ny finoana.
3-Ary ny finoana mitombo sy mihena.
HADISY FAHA-DIMY :

V5 : Tatitra azo avy amin'i Ibn Oumar (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nianina amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah dia efa nikomy na efa nanompo sampy". Notaterin'i Tirmizi.
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

- Tsy azo atao ny mianiana afa-tsy amin'i Allah irery.
- Ny fianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah dia tafiditra anatin'ny fanompoan-tsampy kely.
HADISY FAHA-ENINA :

V6 : Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy hino mihitsy ny iray aminareo raha tsy mankatia ahy mihoatra ny rainy, sy ny zanany, ary ny olombelona rehetra". [Notaterin'i Boukhari sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

- Voadidy ny fitiavana an'ny Mpaminany (S.AW) mihoatry ny olombelona rehetra.
- Satria izany no fahafenoan'ny finoan.
NY HADISY FAHA - FITO :

V7 : Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Tsy ho mpiny ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ho an'ny rahalahiny, izay rehetra tiany ho an'ny tenany". [Notaterin'i Boukhari sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Nympino dia tokony hankatia zava-tsoa ho an'ny rahalahiny tahaky ny hitiavany izany ho an'ny tenany.
- Ary izany dia fahafenoan'ny finoana.
NY HADISY FAHA-VALO :

V8 : Tatitra azo avy amin'i Abou Saiid (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mianina aho amin'ilay mitazona ny fofon'aiko eo am-pelatànany! fa izy io dia mitovy lanja amin'ny ampahatelon'ny Coran". [Notaterin'i Al-bokhaari].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Ny tombotsoan'ny Sourat AL-IKHLAS.
2-izy io dia mitovy lanja amin'ny ampahatelon'ny Coran.
NY HADISY FAHA-SIVY :

V9 : Tatitra azo avy amin'i Abou Moussa (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Tsy misy hery sy tanjaka afa-tsy amin'i Allah dia harena lehibe amin'ireo harena ao amin'ny Paradisa". [Notaterin'i Al-boukhari sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Tombotsoan'io teny io ary izy io dia harena lehibe amin'ireo harena ao amin'ny Paradisa.
2-Fisitahan'ny mpanompo iray ireo manodidina azy, ary fianteherany any amin'i Allah irery ihany.
NY HADISY FAHA-FOLO :

V10 : Tatitra azo avy amin'i Nouman Ibn Bashir (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Tena marina fa ao anatin'ny vatana iray dia misy vongan-kena, ka raha tsara izy io dia ho tsara avokoa ny vatana iray manontolo, ary raha ratsy izy io dia ratsy manaraka azy ny vatana iray manontolo, tsy inona izany fa ny fo". [Notaterin'i Al-boukhari sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Ny hatsaran'ny fo dia mitondra fahatsaran'ny aty ivelany sy ny ao anatiny.
2- Ny fitandrovana fatratra ny fanatsarana ny Fo satria amin'izany no hahatonga fahatsaran'ny olombelona.
NY HADIISY FAHA IRAIK'AMBIN'NY FOLO :

V11 : Tatitra azo avy amin'i Mouaz Ibn Jabal (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.Ww) : "Izay fara-teniny eto an-tany ny hoe : Tsy misy tompo azo tompoina af-tsy i Allah, dia miditra ao amin'ny Paradisa". Notaterin'i Abou Daoud (R).
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1-Vokatsoan'ny fitenenana tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy i Allah, ary amin'ny alàlan'izany no hidiran'ny mpanompo iray ny Paradisa.
2-Vokatsoan'ny fitenenana tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy i Allah farany mialohan'ny ahafatesana.
NY HADISY FAHA ROA AMBIN'NY FOLO :

V12 : Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Massoundi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tena tsy mpino ireo izay manendrikendrika, manozona, manao vetaveta, na koa manao ratsy". Notaterin'i Tirmizi.
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1-Ny fandrarana ireo teny tsy marina sy manevateva rehetra.
-Ny tena toetran’ny mpino dia eo amin’ny lelany.
NY HADITH FAHATELO AMBIN'NY FOLO :

V13 : Tatitra avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Isan'ny mahatsara finona Islam-n'ny olona iray, dia fiatahany amin'izay zavatra tsy mahakasika azy". Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Tirmizi (R) sy ny ankoatra azy.
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Fiatahana izay zavatra tsy mahakasika ny olona amin’ny resaka fivavahana sy ny raharahany eto an-tany.
2- Ny fiatahanao ny zavatra tsy mahakasika anao dia isan'ny mahafeno ny finoanao.
HADISY FAHA EFATRA AMBIN'NY FOLO :

V14 : Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Massoundi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay namaky litera iray ao amin'ny bokin'i Allah dia hahazo valisoa izy, ary ny valisoa dia ampitomboina ho folo avo heny, ary tsy miteny aho hoe : Alif Lam Mim litera, fa kosa Alif litera, ary Lam litera, ary Mim dia litera ihany koa". Notaterin'i Tirmizi.
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1-Valisoan'ny famakina ny Coran.
2-Ary isaky ny Litera iray vakinao ao amin'ny Coran dia ahazoanao fahasoavana.