TARANJA FITONDRAN-TENA

V1 - Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny manam-pinoana feno amin'ireo mpino dia izay tsara toetra indrindra amin'izy ireo". Voarakitra amin'ny Bokin'i Tirmizi sy Ahmad.

V2 : 1- Satria izany no antony mahatonga ny fitiavan'i Allah ilay Avo Tsitoha.
2- Ary antony fitiavan'ireo zavabory.
3-izy io no mavesa-danja indrindra eo amin'ny Mizana amin'ny andro farany.
4-Ary hampitombo ireo valisoa sy tombotsoa ny hatsaram-panahy.
5- Ary izy io famantarana ny fahafenoan'ny finoana.

V3 : Avy amin'ny boky masina Coran, hoy i Allah manao hoe : (Tena marina fa ity Coran ity mitari-dàlana makany amin'ny fahitsiana ...". [Sourat Al-isra : 9]. Ary amin'ny alàlan'ny petra-bolana nomen'ny Mpaminany (S.A.W) : ka niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : (Tena marina fa nalefa aho hameno ny hatsaran-toetra rehetra). voarakitra ao amin'ny Bokin'i Ahmad.

V4 : Ny fanaovan-tsoa (IHSAN) : Fitandremana mandrakariva an'i Allah, ary manao soa sy mihantra ireo zavaboary.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Tena marina fa tompo Allah nanoratra hatsara amin'ny zava-drehetra". [Notaterin'i Mouslim].
Isan'ireo endrika hisehoan'ny fanaovan-tsoa :
- Ny fanaovan-tsoa eo amin'ny fanompoana an'i Allah, dia fanokanana azy irery amin'ny resaka fanompoana rehetra.
- Ny fanaovan-tsoa eo amin'ny ray aman-dReny, dia amin'ny alàlan'ny fiteny sy fihetsika.
Ny fanaovan-tsoa amin'ireo finakaviana sy havana akaiky.
Nyfanaovan-tsoa amin'ireo mpifanolobodirindrina.
Ny fanaovan-tsoa amin'ireo zaza kamboty sy ireo mahantra.
Ny fanaovan-tsoa amin'ireo olona nanao ratsy aminao.
Ny fanaovan-tsoa amin'ny fomba firesaka.
Ny fanaovan-tsoa eo amin'ny adihevitra.
Ny fanaovan-tsoa amin'ireo biby.

V5 : Ny mifanohitra amin'ny fanaovan-tsoa dia fanaovan-dratsy.
* Ka anisan'izany :
Ny famelana ny fahadiovam-po eo amin'ny fanompoana an'i Allah.
* Ny tsy fanajana ny ray aman-dreny.
* Ny fanapahana ny rohim-pihavanana.
* Ny fanaovana ratsy amin'ireo mpifanolobodirindrina sy ny manodidina.
* Ny tsy fanaovan-tsoa amin'ireo mahantra fadiranovana sy ny ankoatr'izay amin'ny teny ratsy sy ny fihetsika mamoafady.

V-
1- Ny fitokisana eo amin'ny fitandroana ny zon'i Allah ilay avo Tsitoha.
Ny endriny :
Ny fitokisana eo amin'ny fanatanterahana ireo fanompoana rehetra toy ny Swalat sy ny Zakat, fifehezana ary fanaovana ny Hadj, sy ireo fanompoana hafa izay nodidian'i Allah amintsika.
2- Fiarovana ireo zon'ny zava-boary :
-Isan'ireo fiarovana voninahitry ny olombelona.
- Fiarovana fananan'izy ireo.
- Fiarovana rà-n'izy ireo.
- Fiarovana tsiambaratelom-piainan'izy ireo sy izay rehetra napetraka ho fifampitokisana eo aminao.
Niteny i Allah mahakasika toetran'ireo olona mahomby :
8- (Ary ireo izay mitandrina ireo zavatra nankinina taminy, sy izay nanaja ny fampanantenana nomeny). [Sourat Al-Mouminouna : 8].

V7 : Ny fitaka (Famadihana), dia famoizana ny zon’i Allah ilay Tsitoha sy ny zon’ny olona.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Famantarana ireo mpihavelatsihy dia zavatra telo" - Ary nilaza iray amin'izy ireo : "Rehefa nametraham-pitokisana dia mamadika". Notaterin'i Boukhariou sy Mouslim.

V8 : Izy io dia fampahafantarana ny zavatra mifanaraka amin'ny zava-misy na ny zava-mitranga.
- Ary ny endrika mety hisehoany :
- Ny Fahamarinana amin’ny firesahana amin’olona.
- Ny Fahamarinana amin'ny fampanantenana.
- Ny Fahamarinana amin'ny teny sy ny atao rehetra.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny fahamarinana dia mitarika ho amin'ny zava-tsoa, ary ny zava-tsoa dia mitondra any amin'ny Paradisa, ary ny olona tsy mitsahatra miteny sy manao ny marina mandram-panoratana azy hoe olona marina". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.

V9 : Ny lainga, izay mifanohitra amin'ny marina, toy ny lainga amin'ny olona, ny fifadiana amin'ny fampanantenana, ary ny fijorona vavolombelona amin'ny lainga.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny lainga dia mitarika ho amin'ny zavatra ratsy, ary ny zavatra ratsy dia mitondra any amin'ny Afobe, ary ny olona tsy mitsahatra miteny sy mandainga mandram-panoratana azy hoe mpandainga". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim. Ary mbola niteny Ka i Mpaminany (S.A.W) : "Famantarana ireo mpihavelatsihy dia zavatra telo" - Ary nilaza ampahany tamin'izany : "Rehefa miresaka dia mandainga ary raha nampanantena izy dia tsy notanterahiny". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.

V10 - Ny faharetana amin'ny fankatoavana tompo Allah.
- Ny faharetana manoloana ny fahotana.
- Ny faharetana amin'ny lahatra mangirifiry, ary misaotra an'i Allah amin'ny toe-javatra rehetra.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marina tokoa fa mankatia ireo manam-paharetana i Allah). [Sourat -Àl-'imran : 146]. Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tena mahagaga ny raharahan'ny mpino, satria tsara avokoa ny raharaha momba azy, ary tsy misy olona manana an'izany afa-tsy mpino ihany. Raha mahazo azy ny soa, dia misaotra izy, izany dia tsara ho azy, ary raha misy ratsy mahazo azy, dia manam-paharetana izy, ary izany dia tsara ho azy". [Notaterin'i Moslimo].

V11 : Izany dia ny tsy fisian’ny faharetana amin’ny fankatoavana, ny tsy fisian’ny faharetana amin’ny fahotana, ary ny tsy fahafaham-po amin’ireo lahatra amin’ny alàlan'ny fiteny na na fihetsika aseho.
- Ary ny endrika hisehoany :
- Faniriana ho faty.
- Mikapoka ny takolaka.
- Mandrovitra ny lamba.
- Manaparitaka ny tsy fifalina amin'ny zva-manjo.
- Nyfanaovana Douan ratsy sy faharendrehana ho an'ny tena.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) :: "Ny valisoa dia arakaraky ny halehiben'ny fitsapana mahazo, ary raha mankatia vahoaka iray i Allah dia hotsapainy, ka izay faly dia hahazo fifaliany, ary izay tezitra dia hahazo ny hatezerany". Voarakitra amin'ny bokin'i Tirmizi sy ibeno Madjat.

V12 : Izy io fiaraha-miasan’ny olona eo amin’ny fahamarinana sy ny tsara.
- Ny endrika hisehoan'ny fifanampiana :
- Ny fifanampiana amin'ny famerenana ireo zo.
- Ny fifanampiana amin'ny famerenana ireo zavatra nalaina tsy ara-drariny :
- Ny fifanampiana amin’ny famaliana ny filan’ny olona sy ny sahirana.
- Ny fifanampiana amin'ny lafiny soa sy tsara rehetra.
- Tsy mifanampy amin'ny fahotana sy ny fampijalina ny olona ary ny herisetra.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary mifanampia ianareo amin'ny tsara sy ny fitiavam-bavaka, fa aza mifanampy kosa amin'ny fahotana sy ny hetraketraka, Koa matahora an'i Allah ianareo satria mahery vaika ny saziny". [Sourate Al-Maidat : 2]. Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino manoloana ny mpino namany dia toy ny rindrindra mifanohana ny andaniny amin'ny ankilany". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim. Mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino silamo dia rahalahin'ny silamo namany, tsy manambaka azy, tsy manolotra azy amin'ny fahavalony, izay niezaka nanampy ny rahalahiny, dia hohampian'i Allah ihany koa, ary izay nanala mpino iray tao anatin'ny fahasahiranana, dia hafahan'i Allah amin'ireo fahasahiranana any an-koatra, ary izay nanafina kileman'ny mpino, dia hohafenin'i Allah ihany koa ny kilemany amin'ny andro farany". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.

V13 : 1 -Mahay menatra amin'i Allah : Dia amin'ny alàlan'ny tsy fikomianao azy.
2- Fahaizana menatra eo anatrehan’ny olona : Tafiditra ao anatin’izany ny fialana amin’ny teny vetaveta sy ny fampiharihariana ny henatra.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny finoana dia manana fito amby fitopolo" - na : "enimpolo amby enimpolo" - "sampana, ny ambony indrindra amin'ireo dia fitenenana hoe: Tsy misy tompo afa-tsy i Allah. Ary ny ambany indrindra : Dia ny fanalana ireo zavatra mandratra eny an-dàlana". [Notaterin'i Mouslim].

V14 : - Famindrampo sy fanajana ny zokiolona.
- Famindrampo ho amin’ny zaza sy ny ankizy.
- Famindrampo amin’ny mahantra sy ny sahirana ary ny marefo ara-pivelomana.
- Ny famindram-po amin'ny biby amin'ny alàlan'ny famahanana azy fa tsy ny fampijalina azy.
Efa manazava an'izany ilay tenin'i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Hohitanao ireo mpino amin’ny famindrampony sy ny fitiavany ary ny fangoraham-pony tahaka ny vatana iray, Ka raha mitaraina ny rantsambatana iray, dia mamaly izany amin’ny tsy fahampian-torimaso sy ny tazo ny sisa amin’ny vatana". Notaterin'i Al-boukhari sy Mouslim. Mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ireo mpamindra fo dia hamindran'i Allah fo ihany koa, Mamindra fo amin'ireo rehetra eto an-tany, fa hamindra fo aminareo ny any an-danitra". [Notaterin'i Abou Dawod sy Tirmizi].

V15 : - Fitiavany an'i Allah ilay Avo Tsitoha.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary ireo manam-pinoana no tena mankatiana an'i Allah". [Sourate-Al-bakarat :165].
- Ny fitiavana an'i Mpaminany (S.A.W)
.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Mianiana aho amin'ilay mitazona fofon'aiko eo am-pelatànany, tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy mankatia ahy mihoatry ny tenany sy ny rainy ary ny zanany". [Notaterin'i Al-boukhari].
- Fitiavana an'ireo mpino, ary mankatia ny tsara ho azy ireo tahaka ny itiavanao izany ho an’ny tenanao.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy tia ny rahalahiny izay tiany ho an'ny tenany izy". [Notaterin'i Al-bokhari].

V16 : Izany dia famirapiratan'ny tarehy, amim-pifaliana, feno tsiky, hatsaram-panahy, ary fanehoana haravoana rehefa mihaona amin'ny olona.
Ary izy io dia mifanohitra amin'ny fiketronan'ny tarehy manoloana ny olona izay mampandositra azy ireo.
Ka izany no voalaza amin'ny Hadith, izay notaterin'i Bou Zarri (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza manao tsinontsinona ny asa soa, na dia amin'ny endrika falifaly aza no hihaonanao amin'ny rahalahinao". [Notaterin'i Mouslim]. Mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Ny tsikinao eo anatrehan'ny rahalahinao dia efa fanomezana(Swadaka)". Notaterin'i Tirmizi.

V17 : Izy io dia fanirina mba haharavan'ny fahasoavana amin'ny olona, na koa fankahalana ny fahasoavana amin'ny olona hafa.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary mangataka fiarovana aminao manoloana ny mpialona rehefa velom-pialonana) [Sourate-Al-Falq : 5].
Tatitra azo ay amin'i Anas Ibn Malik (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza mifankahala, aza mifampialona, aza misarakatsaraka, ary meteza ianareo ho mpanompon'i Allah no sady mpirahalahy". [Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.]

V18 : Izy io dia aniany sy fanambaniana atao amin'ny rahalahinao silamo izany, ary tsy azo atao izany.
Niteny i Allah mandrara izany manao hoe :
11- (Ô ianareo mpino ! Aoka tsy haneso andian'ny olona iray ny andiany hafa, fa mety ho mendrika kokoa izy ireny noho izy ireo. Ary aoka ireo vehivavy tsy haneso ireo vehivavy hafa, fa mety ho mendrika kokoa izy ireny noho izy ireo. Ary aza mifanambany ianareo ary aza mifanome anaram-bositra. Tena ratsy tokoa ny anarana maloto, raha efa manam-pinoana ianareo. Ary na iza na iza tsy mibebaka, dia izy ireny no olona lazaina fa mpanao ny tsy rariny". [Sourate-Al-houdjorati : 11].

V19 : Tsy mitoni-tena ho ambonin'ny hafa, ka tsy manambanimbany azy ireo ary tsy manda ny fahamarinana.
Niteny i Tompo Allah manao hoe :
(Ary ireo mpanompon'ilay be indra fo rehefa mandeha eny ambonin'ny tany dia am-panetren-tena). [Sourat Al-fourqan : 63]. Izany hoe : manambany tena. Ary niteny i Mpaminany (S.A.W), manao hoe : "Ary tsy misy olona manetry tena eo anatrehan'i Allah afa-tsy hoe asandratr'i Allah". [Notaterin'i Mouslim]. Ary mbol niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Nodidin'i Allah aho amin'ny fanetren-tena, mba tsy hireharehan'ny sasany amin'ny hafa, ary tsy hisy hampahory sasany amin'ny hafa". [Notaterin'i Mouslim].

V20 : 1- Ny fieboeboana amin’ny fahamarinana, dia ny fandavana ny marina sy ny tsy fanekena izany.
2- Ny fieboeboana amin’ny olona, izany dia fanambaniana sy fanesoana azy.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy miditra ao amin'ny Paradisa izay manana fanambonian-tena na dia kely toy ny atoma ao am-pony". Teo dia niteny iray tamin'ireo mpanara-diany hoe : "Raha ny olona iray mitia mitafy lamba tsara, sy kiraro tsara? Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tompo Allah dia tsara ary mankatia zavatra tsara, fa ny fanambonian-tena : dia fandavana ny fahamarinana, sy fanaovana tsinotsinona ny olona". [Notaterin'i Mouslim].
Fandavana ny fahamarinana :
tsy fanekenao azy.
Fanaovana tsinotsinona ny olona :
dia ny fanambanianao azy ireo.
- Ny fananana lamba sy ny fitafiny tsara, dia tsy voasokajy ho fanambonian-tena.

V21 : Fisolokiana amin’ny fividianana sy fivarotana, izay manafina ny kileman’ny entana.
- Fisolokiana amin'ny fianarana, ary toy izany ny mpianatra maka tahaka amin'ny fanadinana.
- Fisolokiana amin'ny teny avoaka toy ny filazana lainga sy fijorona vavolombelona amin'ny zavatra disoa.
- Tsy fanatanterahanao izay nolazainao sy nifanarahanao tamin’ny olona.
Ary raha fandrarana ny fisolokina, dia : indray andro nandalo teny an-tsena i Mpaminany (S.A.W) ka nampiditra ny tànany tao anaty voamaina namidin'ny olona. Rehefa navoakany tao ny tànany dia mando be, teo izy nanontany manao hoe : "Inona ity zavatra mandao ity ry mpivarotra?, Namaly ilay mpivarotra hoe : "Tratry ny orana izy io tamin'ny alina ry iraka'i Allah". Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy navoakanao teo ambonin'ireo entana izy io mba ho hitan'ny olona? Tadidio fa izay misoloky anay dia tsy anisan'ny mpiara-dia aminay". [Notaterin'i Muoslim].
Voamaina :
Ny antontam-bokatra.

V22 : Fofasa dia fitenenanao rahalahinao silamo ny zavatra halany rehefa tsy eo izy.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary aza mifampifosa ianareo samy ianareo, ka moa va misy ny iray aminareo manam-pitiavana ny ihinana ny nofotry ny rahalahiny izay efa maty dia horikoriko ianareo, ary matahora an'i Allah ianareo fa tena mpandray fibebahana tokoa i Allah". [Sourate-Al-houjorati : 12].

V23 : Izy io dia fitondrana resaka avy amin'ny olona makany amin'ny olona hafa mba hampiady sy hanimba fifandraisany.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy miditra ao amin'ny paradisa ny mpitati-dresaka). [Notaterin'i Mouslim].

V24 : Fahatsapana'ny olona vesatra amin'ny fanatanterahana ireo zavatra tsara sy ireo zavatra tokony hataony.
Anisan’izany ny :
hakamoana amin’ny fanaovana adidy.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy, dia mitady hamitaka an’i Allah, nefa Izy (Allah) no mamitaka azy ireo, Ary rehefa mitsangana hanatanteraka Swalat izy ireo, dia mitsangana amin’ny hakamoana no sady misehoseho aman’olona ka tsy mahatsiaro an’i Allah izy ireo afa-tsy kely ihany). [Sourat-An-Nisa :142].
Koa tokony hiala amin’ny hakamoana sy ny fitpetraham-potsiny ary ny fidonanaham-poana ny mpino ka miezaka amin’ny asa sy mihetsiketsika, ny fahamatorana ary ny fahazotoana amin’izao fiainana izao manaraka ny fomba ankasitrahan’i Allah.

V25 : 1- Fahatezerana mendrim-piderana : io dia rehefa nitsinotsinoavin'ireo mpikomy sy ny mpihatsaravelatsihy ny fahamasinan'i Allah.
2- Ny fahatezerana mamoafady : io dia fahatezerana mahatonga ny olona hanao sy hilaza izay tsy tokony hataony.
Fitsaboana ny fahatezerana mamoafady :

- Ny fidiovana masina (Ouzou).
- Mipetraka raha mitsangana, ary matory raha sendra mipetraka.
- Manaja ilay hafatr'i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Aza tezitra".
- Mamehy tena amin'ny fihenjanana rehefa tezitra.
- Mangataka fiarovana amin'i Allah manoloana ny devoly.
- Ny fahanginana.

V26 : Izy io dia ny fanaraha-maso sy fitadiavana ny fahadisoan'ny olona sy izay afeniny.
- Ireo endrika maha voarara azy :
- Ny fitsidihana ireo henatry ny olona any an-tranony.
- Ny fihainoan'ny olona iray ny resaka izay hifanaovan'ireo vahoaka nefa ireo vahoaka tsy mahalala izany akory
Niteny i Allah manao hoe :
(Aza mifampitsikilo ianareo). [Sourat Al-houjorati : 12].

V27 : Fandaniam-poana : Dia fandaniam-bola amin'ny tsy rariny.
Ary ny mifanohitra aminy :
Ny fahirana : Dia fitazomana ny vola amin'ny tsy rariny.
Ary ny tsara dia ny afovoany, ka ny mpino silamo dia tokony ho malala-tànana.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary ireo izay mamoaka fananan'izy ireo dia tsy mandanindany foana no sady tsy mahihitra ihany koa fa amin'ny antoniny eo anelanelan'izany". [Sourat Al-fourqan : 67].

V28 : Ny fahakanosana : dia fatahorana amin'ny fotoana izay tsy tokony hatahorana.
Toy ny tahotra ny hilaza ny marina sy ny fandavana na fanoherana ny ratsy.
Ny fasahina :
Dia fananana herim-po amin'ny fahamarinana, ary toy ny fahasahiana eo amin'ny kianjan'ny ady masina ho fiarovana ny finoana Islam sy ny mpino mpanaraka azy.
Ary i Mpaminany (S.A.W) tsy mitsahatra mamerina ilay tonim-bavaka ka miteny hoe : "Allahoumma Inni aouzou bika minal-joubni - izay midika hoe : Tompo Allah oo, mitady fiarovana aminao aho manoloana ny fahakanosana...". Ary mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian'i Allah kokoa noho ny mpino malemy, fa izy roa samy misy hatsarana". [Notaterin'i Mouslim].

V29 : Toy nyfanozonana sy ny fanompana.
- Toy ny filazana hoe : i ranina dia "biby" na fomba fiteny mitovitovy amin'izany.
- Na fanononana ny ampahany amin'ireo kileman'ny olona sy teny feno vetaveta sy ratsy.
-Ary efa noraran'ny Mpaminany (S.A.W) izany rehetra izany, ka niteny izy manao hoe : "Ny mpino dia tsy mpanindrona ny namany, na mpanozona, na mpamoaka teny vetaveta, na mpiteny ratsy". Voarakitra amin'ny Bokin'i Tirmizi sy ibn Madjat.

V30 : 1- Manao Douan mba hanomezan'i Allah anao ny fitondran-tena tsara ary ho hampianao amin'izany ianao.
2- Ny fitandrovana an'i Allah mandrakariva, satria mahafantra sy maheno ary mahita anao izy.
3-Tsarovy mandrakariva ny valisoan’ny hatsaram-panahy ary io no antony iray hidirana ao amin’ny paradisa.
4-Tsarovy mandrakariva ny sazin’ny haratsiam-panahy ary io no antony iray hidirana ao amin’ny Afobe.
5-Ny fitondran-tena mendrika dia mitondra ny fitiavan’i Allah sy ny fitiavan'ny zavaboariny, ary ny toetra ratsy dia mitondra fahatezeran'i Allah sy ny zavaboariny.
6- Famakina ny tantaram-piainan'i Mpaminany (S.A.W) sy ny fanarana ny sori-dàlana napetrany.
7- Fiarahana amin'ny olona tsara ary fiatahana ny fiarahana amin'ny olona ratsy.