TARANJA - NY FOTOPINOANA

Valiny : Tompoko dia i Allah, ilay nahary sy nanabe ahy ary nanabe an'izao tontolo izao noho ny fahasoavany.
Ary ny porofo dia ilay tenin'i Allah manao hoe :
Fisaorana sy fankasitrahana ho an'i Allah, tompon'izao tontolo izao. [ Sourat Al-fatiha : 2 ].

Valiny2 : Ny finoako dia Islam izay midika ho : fanolora-tena feno ho an'i Allah amin'ny alàlan'ny fanokanana azy, fanekena azy amin'ny alàlan'ny fankatoavana, ary fanalavirana ny fanompoan-tsampy sy ny fianakaviambeny.
Niteny i Allah manao hoe :
{Ny finoana marina sy manan-kery eo anatrehan'i Allah dia ny finoana Islam]. [ Sourate-Àl-'imran : 19 ].

Valiny3 : i Mouhammad (S.W.A).
Niteny i Allah manao hoe :
(i Mouhammad dia Irak'i Allah). [ Sourate-Àl-fathi : 29 ]

Valiny4: Teny fanokana an'i Allah dia "LAILAHA ILLALLAHOU", izay midka : Tsy misy tompo azo tompoina am-pahamarinana afa tsy i Allah".
Niteny i Allah manao hoe :
{ Ary fantaro fa izy (Allah), Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah...} [ Sourat Mouhammad :19 ].

Valiny5 : i Allah dia any an-danitra, eo ambonin'y Seza fiandrianany, ary eo ambonin'y zava-boary rehetra ka, niteny i Allah manao hoe : ilay be Fiantrana dia mitoetra eo ambonin’ny Seza Fiandrianana. [ Sourate-Twaha : 5 ]. Ary mbola niteny ihany koa : 18- Izy no tompom-pahefana faratapony amin’ireo mpanompony, Ary izy no ilay be Fahendrena sy mahalala ny zava-drehetra. [ Sourate-Al-An'ame : 18 ].

Valiny6 : Ny dikany dia : Nalefan'i Allah ho an'izao tontolo izao mpilaza vaovao mahafaly sy mpampitandrina ihany koa.
Ka voadidy ny :

1-Fankatoavana azy amin'izay nodidiany.
2-Finoana azy amin'izay lazainy.
3-Tsy mikomy azy.
4-Tsy manompo an'i Allah afa-tsy amin'ny fitsipi-dalàna nomeny, dia ny fanarahana ireo fomba amam-panao ary mamela ny forona.
Niteny i Allah manao hoe :
(Izay nakatoa ilay Iraka dia efa nankatoa an'i Allah) [Sourate-Anissay :80] ary mbola niteny ilay avo Tsitoha manao hoe : (Ary tsy miteny araky ny sitrapony izy, fa izay lazainy dia faminaniana tonga taminy). [Sourate-An-Najmou : 4,3]. Ary niteny ilay avo indrindra manao hoe : Tena manana ohatra fakan-tahaka tsara tokoa ianareo amin'ny Irak'i Allah ho an'izay manantena an'i Allah sy ny andro farany, ary mahatsiaro an'i Allah mandrakariva. [ Sourate-Al-Ahzab : 21 ].

Valiny7: Namboarin'i Allah isika mba hanompo azy irery, tsy misy mikambana aminy.
Tsy noho ny kilalao na rendrarendra.
Niteny i Allah manao hoe :
Ary tsy nohariko ny jiny sy ny olombelona afa-tsy hanompo ahy. [ Sourat AZ-Zariati : 56 ].

valiny8 : Ny fanompoana dia anarana feno entina ilazana izay rehetra tian'i Allah sy ankasitrahiny, amin'ny alàlan'ny fihetsika sy fiteny miafina sy mibaribary.
Ny miharihary :
Toy ny fanaovana tonimbavaka (Zikri) amin'ny lela sy ny fitenenana : SOUBHANALLAHI, ALHAMDOULILLAHI, ALLAHOU AKBAR, ao ihany koa ny Swalat sy ny Hadj.
Ny miafina :
Toy ny fitokisana, fatahorana ary fanantenana.

Valiny9 :Ny adidy goavana indrindra napetraka amintsika dia ny fanokanana an'i Allah ilay avo Tsitoha.

Valiny10 : 1-Fanokana an'i Allah amin'ny maha tompo mpiahy azy (Tawhid Roboubya) : Izay midika hoe : Finoana fa izy Allah no tompo mpahary, mpanome anjarampivelomana, mpanjaka sy mpandrindra, Izy irery ary tsy misy mpikambana aminy.
2-Fanokanana an'i Allah amin'ny fanompoana azy (Tawhid Oulouhya) : Izay midika hoe : Fanokanana an'i Allah amin'ireo karazam-panompoana rehetra atao, Ka tsy misy olona na zavatra hafa tompoina afa tsy i Allah ilay avo tsitoha.
3-Fanokanana an'i Allah amin'ny anarana sy toetrany (Tawhid Asmaa Wa Swifatihi) izay midika hoe : Finoana ireo anaran'i Allah sy ny toetrany izay voarakitra ao amin'ny boky masina Coran sy ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W), tsy misy fanoharana, na fampitovizana na fanimbana.
Ary ny porofo manamarina ireo fizaran'ny fanokanana an'i Allah telo ireo :
Ilay tenin'i Allah manao hoe : 65-Izy (Allah) no tompon’ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo anelanelany, Ka tompoy izy, ary manàna faharetana eo am-panompoana azy, ka moa ve mahafantatra ny mitovy aminy ianao? [ Sourat Mariam : 65 ].

Valiny11 : Ny fampirafesana ny fanompoana an'i Allah amin'ireo zavaboariny.
Niteny i Allah nanao hoe :
48-Tompo Allah tsy mamela heloka izay nanakambana Azy amin’ny zavatra hafa. Fa izy kosa mamela heloka amin’izay ankoatr'io ho an'izay tiany. Ka na iza na iza nampitambatra an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia efa nanao fahotana lehibe. [ Sourate-An-Nissa : 48 ].

Valiny12 : Ny fampirafesana an'i Allah (Chirk) : Dia karazana fanompoam-pivavahana miantefa amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah.
IREO KARAZANY :

- Ny Chirk lehibe : Toy ny fangatahana amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah, Na fiankohofana amin'ny zavatra hafa ankoatra azy, Na koa fanaovana sorona amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah.
- Ny Chirk kely : Toy ny fianianana amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah, na ny fiaro (Hirizy), izy io dia zavatra ahantona eny amin'ny trano mba ahazoana fahasoavana na hanoherana loza, ny fizahozahona (Ri-Yat),tahaky ny manatanteraka Swalat amin'ny endrika tsara mba hohitan'ny olona.

Valiny13 : Tsy misy mahafantatra ny zava-miafina afa-tsy i Allah irery ihany.
Niteny i Allah manao hoe :
Lazao hoe : “Tsy misy mahalala ny zava-miafina na iza na iza amin'ireo rehetra any an-danitra sy ny eto an-tany afa-tsy i Allah, Ary tsy fantatr'izy ireo rahovina no hampitsanganana azy ireo amin'ny maty". [ Sourat An-Naml : 65 ].

Valiny14 : 1-Ny finoana an'i Allah ilay avo Tsitoha.
2- Ny finoana ireo anjely.
3-Finoana ireo bokiny.
4-Finoana ireo Irany.
5-Finoana ny andro farany.
6-Finoana ny lahatra tsara sy ny ratsy.
Ary ny porofo dia ilay Hadith Jibril fanta-daza, Hoy i Jibril tamin'ny Mpaminany (S.A.W) : Lazao amiko ny atao hoe : FINOANA, namaly izy manao hoe : Ny atao hoe finoana dia ny finoanao an'i Allah, sy ireo anjeliny, ireo bokiny, ireo Irany, sy ny andro farany, ary ny finoanao ny lahatra tsara sy ny ratsy.

Valiny15 : - Ny finoana an'i Allah ilay avo Tsitoha :
Mino ianao fa i Allah no nahary sy mpanome anjarampivelomana anao, ary izy irery no mpanjaka sy mpandrindra fiainan'ireo zavaboary.
Ary izy no tompoina ka tsy misy azo tompoina am-pahamarinana afa-tsy izy irery.
Ary izy no avo indrindra, Lehibe, Lavorary, Azy ny dera rehetra, ary manana ireo anarana tsara Indrindra sy ny toetra lafatra indrindra, tsy misy mira-lenta aminy, ary tsy misy mitovy endrika aminy.
Ny finoana an'ireo anjely :

Izy ireo dia zavaboary noharian'i Allah tamin’ny hazavana, mba hiankohoka eo anatrehany ary hanaiky tanteraka ny didiny.
-Isan'izany i Jibril (A.S) izay mitondra ny faminaniana midina ho any amin'ireo Mpaminany.
Ny finoana ireo boky :

Izy ireo boky nampidinin'i Allah amin'ireo Irany.
- Toy ny boky masina Coran : nampidinina tamin'i Mouhammad (S.W.A).
- Ny Evanjily nampidinina tamin'i Issa (A.S) na i Jesoa Kristy.
- Ny Taoraty nampidinina tamin'i Moussa (A.S).
- Ny Zabora nampidinina tamin'i Daoud (A.S).
- Ny Takelakan'i Ibrahim sy Moussa dia nampiidinina tamin'ny Mpaminany Ibrahim (A.S) sy i Moussa (A.S).
Ny finoana ireo Iraka :

Izy ireo no nalefan'i Allah ho any amin’ny mpanompony mba hampianatra azy ireo, hitondra vaovao mahafaly sy ny Paradisa, ary hampitandrina azy ireo amin’ny ratsy sy ny afobe.
Ary ny tsara indrindra amin'izy ireo dia :
(OLOUL-AZMI), ireto avy izany :
i Nouh na i Noa (A;S).
i Ibrahim na i Abrahama (A;S)
i Moussa na i Mosesy (A;S).
i Issa na i Jesoa Kristy (A;S).
i Mouhammad (S.A.W).
Ny finoanana ny andro farany :

Izy io dia fiainana aorian’ny fahafatesana manomboka ao am-pasana, sy ny andro farany, ary ny andro fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana, izay hitoeran’ny olon’ny Paradisa ao amin'ny toerany ary ny olon’ny Afobe ao amin'ny toerany.
Ny finoana ny lahatra tsara sy ny ratsy :

Ny lahatra : Izy io dia finoana sy fanekenao fa i Allah mahafantatra ny zava-mitranga rehetra eto amin’izao tontolo izao, ary efa nosoratany tao amin’ny takelaka voatahiry izany, ary sitrapon'i Allah ny fisiany sy ny famoronana azy.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marina fa ny zava-drehetra dia efa noharianay tamin'ny lahatra sahaza azy avokoa). [ Sourate-Al-Quamar : 49 ].
ary izy io dia mizara amin'ny ambaratonga efatra :

Ny Voalohany : Ny fahalalan’i Allah ilay Tsitoha, anisan’izany ny fahalalany mialoha ny zava-drehetra, mialoha sy ao aorian’ny fisehoan-javatra.
Porofo amin'izany, dia ilay tenin'i Allah manao hoe : Marina tokoa fa eo amin'i Allah ny fahafantarana ilay ora farany, ary izy no mampilatsaka ny ranon'orana, ary izy ihany koa no mahafantatra ny ao am-bohoka. Ary tsy misy olona mahafantatra izay hahazo azy rahampitso sy izay tany ahafatesany. Fa i Allah no mahalala ny zava-drehetra. [ Sourat Lokomany : 34 ].
Ny Faharoa :
Efa nosoratan’i Allah tao amin’ny takelaka voatahiry antsoina hoe : LAWHOUN MAHFOUZ izany, ka izay rehetra nitranga sy izay mbola hitranga dia efa voasoratra miaraka ao anaty boky.
Porofo amin'izany dia ilay tenin'i Allah manao hoe :
Ary izy (Allah) irery ihany no mitana ireo fanalahidin'ny zava-miafina, Tsy misy mahafantatra izany afa-tsy izy, ary fantany avokoa izay any anaty tany sy any anaty ranomasina. Ary tsy misy na dia ravinkazo iray mihintsana aza ka tsy fantany. Ary tsy misy na voa iray ao anaty haizin-tany na mando na maina ka tsy voarakitra mazava tsara ao anatin'ny boky. [ Sourat Al-An'Am : 59 ].
Ny fahatelo :
Ary amin'ny sitrapon'i Allah no hitrangan'ny zava-drehetra, ka tsy misy na inona na inona mitranga avy aminy na amin'ny zavaboariny raha tsy amin'ny sitrapony.
Porofo amin'izany dia ilay tenin'i Allah manao hoe :
Ho an'izay te hanaraka ny làlana mahitsy aminareo. Fa tsy ho tanteraka mihitsy ny sitraponareo raha tsy sitrak'i Allah ilay tompon'izao tontolo izao. [ Sourate-At-Takwiry : 28,29 ].
Ny Fahefatra :
Ny finoanao fa noforonin’i Allah avokoa ny zavaboary rehetra, ary Izy no nahary ny tenany, ny toetrany, ny fihetsiny ary ny zavatra rehetra ao aminy.
Porofo manambara izay ilay tenin'i Allah manao hoe :
Ary i Allah no nanamboatra anareo sy izay ataonareo. [ Sourate-Soafaty : 96 ].

Valiny16 : Izy io dia tenin’i Allah ilay Tsitoha fa tsy zavaboary.
Niteny i Allah manao hoe :
Ary raha nangataka fialofana aminao ny anakiray amin'ireo mpanompo sampy, dia ekeo izany mba handrenesany tenin'i Allah ... [ Sourate-A-taobat : 6 ].

Valiny17 : Ny Sounna dia ireo teny sy fihetsika ary izay rehetra nankatoavin'ny Mpaminany (S.A.W), na toetra voajanahary sy ny tsy voajanahary.

Valiny18 : Ny Bidian dia ireo zava-baovao noforonon'ny olombelona ary nampidiriny ao anatin'ny finoana, nefa tsy mbola nisy tamin'ny vanom-potoan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo mpanara-dia azy.
Tsy ekentsika ary averintsika any amin'ilay namorona azy.
Araky ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny forona rehetra dia fahaverezana". Notaterin'i Abo Dawod (R.A).
Ohatra:
Ny fampitomboana amin'ny resaka fanompoana, toy ny fanasana fahaefatra rehefa manao Ouzou, sy ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ny Mpaminany (S.A.W), nefa tsy nataon'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny mpiara-dia aminy izany.

Valiny19 : Ny AL-WALAA : Fitiavana an'ireo mpino silamo sy ny fanohanana azy ireo.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary ireo mpino lahy sy vavy, dia mpinamana akaiky sy mifanohana...). [ Sourate-A-taobat : 71 ].
Ny AL-BARAA :Fankahalana ireo mpikomy sy fiadivana amin'izy ireo.
Niteny i Allah manao hoe :
{Efa nanana ohatra tsara tokoa ianareo tamin’i Mpaminany Ibrahim, sy ireo niaraka taminy, tamin’izy ireo niteny tamin’ny vahoakany hoe : “Miala madiodio aminareo izahay, sy izay tompoinareo ankoatr'i Allah. Teraka teo aminay sy teo aminareo ny fifampifahavaloana sy ny fifankahalana, raha tsy efa mino an’i Allah tokana ianareo”}. [ Sourate-Al-moumtahanah : 4 ].

Valiny20 : Tsy eken'i Allah afa-tsy ny finoana Islam ihany.
Niteny i Allah manao hoe :
(Fa izay mandray finoana hafa ankoatra ny finoana islam; dia tsy ho voaray izay rehetra hataony, ary izy isan'ireo matiantoka indrindra any an-koatra). [ Sourate-Àl-'imran : 85 ].

Valiny21 : Ohatra iray amin'ny teny : faniratsirana sy fanopana an'i Allah ilay avo tsitoha na ny Irany.
Ohatra amin'ny fihetsika :
Fanevatevana ny boky masina Koroany na ny fiankohofana amin'ny zavatra hafa ankoatra an'i Allah.
Ohatra amin’ny finoana :
Ny finoana fa misy olona mendrika hivavahana ankoatra an’i Allah ilay avo Tsitoha, na misy mpahary hafa miaraka amin’Allah.

Valiny22 : Ny fiatsarambelatsihy dia fanehoana ny tsara ary fanafenana ny ratsy.
1- Ny fihatsarambelatsihy lehibe indrindra : Fanafenana ny fikomiana ao am-po ary fanehoana miharihary ny finoana.
Ary mamoaka ny olona ao amin'ny Islam ny fikomiana lehibe.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marinafa ireo mpihatsaravelatsihy dia hitoetra ao amin'ny ambany indrindra amin'ny Afobe ary tsy ahita famonjena ho azy ireny na ovina na ovina ianao). [Sourate-An-Nissa : 145].
2- Ny fihatsarambelatsihy kely :
Ohatra: Toy ny mandainga, tsy mitazona ny teny nomena, ary mivadika amin’ny fitokisana.
Fa tsy mamoaka olona ao amin’ny finoana silamo izany, Saingy ahazo fahotana sy iharan’ny sazy ny mpanao azy.
Niteny ilay Irak'i Allah manao hoe :
"Famantarana ireo mpihatsaravelatsihy dia telo : - Rehefa miresaka dia mandainga, - Rehefa mampanantena dia tsy manatanteraka, -Rehefa nametraham-pitokisana dia mivadi-pitokisana. [Notaterin'i Al-bokhàri sy Moslimo].

Valiny23 : i Mouhammad (S.A.W).
Niteny i Allah manao hoe :
(Tsy rain'iray amin'ireo lehilahy ao aminareo velively i Mouhammad (S.A.W), fa Irak'i Allah ary farany amin'ireo Mpaminany izy ...). [Sourate-Al-Ahzab : 40]. Ary niteny ilay Irak'i Allah manao hoe : "Ary izaho no farany amin'ireo Mpaminany ary tsy hisy intsony ny Mpaminany ao aoriako". [Notaterin'i Abo Dawod sy Tirmizi ary ankoatra azy ireo (R)].

Ny fahagagana : Dia fanomezana sy hery mihoatry ny mahazatra atsika olombelona, izay nomen'i Allah ireo Mpaminany mba hanaporofoina ny fahamarinana noentin'izy ireo, toy ny :
Fitresahan'ny volana naton'ny Mpaminany (S.A.W).
Ary fivakisan'ny ranomasina nataon'i Moussa (A.S) ka naharendrika an'i Fir'aouna sy ireo miaramilany.

Valiny25 - Ny mpanaradia : Izy ilay niara-niaina tamin'ny Mpaminany (S.A.W), nino azy ary maty tao anatin'ny finoana Islam.
-Mankatia azy ireo isika ary maka tahaka azy ireo, ary izy ireo no olona tsara indrindra sy mendrika indrindra taorian’ireo mpaminany.
- Ny tsara indrindra amin'izy ireo dia ireo mpandimby an'ny Mpaminany (Khalifa) efatra ireto :
1- Abou-Bakri (R.A).
2- Oumar (R.A).
3- Outhman (R.A).
4-Ali (R.A).

Valiny26 : Ireo dia vadin'ny Mpaminany (S.A.W).
Niteny i Allah manao hoe :
(I Mpaminany (S.A.W) no laharampahamehana amin'ireo mpino mihoatra ny vatatenan'izy ireo, ary ireo vadiny dia renin'izy ireo...". [Sourate-Al-Ahzab : 6].

Valiny27 : Mankatia sy manaja azy ireo isika ary mankahala izay mankahala azy ireo ary tsy mihoa-pefy amin’ny fitiavana azy ireo. Izy ireo dia : ireo vadiny, ireo taranany, ireo taranak'i Hashim sy ireo taranak'i Al-Mouttalib avy amin’ireo mpino.

Valiny28 - Adidintsika : Manaja azy ireo, mihaino sy mankatoa azy ireo raha mbola ao anatin'ny fankatoavana, tsy miala amin'ny fitondrany, ary mivavaka sy mananatra azy ireo mangingina.

Valiny29 : Ao amin'ny Paradisa. Niteny i Allah manao hooe : (i Tompo Allah no mampiditra ireo izay nino sy nanao asa soa ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano mikoriana eo ambaniny...). [Sourate-Mohammadi :12].

Valiny30 : Ao amin'ny Afobe. Niteny i Allah manao hooe : (Aoka ianareo hatahotra ilay afobe, izay olombelona sy ny vato no fandrehitra ao aminy, afo izay nomanina ho an'ireo mpikomy). [Sourate-Al-bakarat :24].

Valiny31 - Ny fatahorana : Dia fatahorana an’i Allah sy ny famaizana avy aminy.
Ny fanantenana :
Dia fanantenana ny valisoa avy amin'i Allah sy famelan-kelony ary ny famindram-pony.
Ka ny porofo amin'izany dia ilay tenin'i Allah manao hoe :
(Na ireo izay antsoin’izy ireo aza dia mitady amin’ny tompon’izy ireo ny fomba hanatonana azy bebe kokoa ary manantena ny famindram-pòny, ary matahotra ny saziny, tena marina fa ny sazin'ny tomponao dia mampatahotra tokoa). [Sourate-Al-Ysirat : 57]. Ary niteny i Allah manao hoe : (Ampandreneso ireo mpanompoko fa izaho ilay mpamela heloka sy mpamindra fo. Fa ny saziko dia tena mamirifiry tokoa. [Sourate-Al-Hijri : 49,50].

Valiny32 : i Allah, Tompo, Mpamindra fo, Mpihaino, Mahita ny zava-drehetra, Mahalala ny zava-drehetra, Mpanome anjarampivelomana, Velona, Lehibe….sns Ankoatran'io ireo anarana tsara sy ireo toetra avo Indrindra.

Valiny33 - i Allah : Ary ny dikany dia ilay tompo ivavahana marina, irery ary tsy misy mpiara-miasa.
- Ny tompo (AR-RABOU) : Izy no Mpahary, ny mpanjaka, ny Mpizara anjarampivelomana ary izy irery no Mpandrindra, Voninahitra ho Azy.
Ilay maheno (AS-SAMIOU) : Izy mandre ny zava-drehetra, ary mandre ireo feo samihafa sy isankarazany.
Ny mpahita (AL-BASWIR) : Ilay mahita ny zava-drehetra, ary mahatazana ny zava-drehetra, na kely na lehibe.
Ilay Mahalala (AL-ALIMOU) : Izy no manana ny fahalalana rehetra momba ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy.
Ilay Mpamindra fo (AR-RAHIM) : Midadasika amin’ny zava-manan’aina rehetra ny famindram-pony, ary eo ambanin’ny famindram-pony avokoa ny mpanompony sy ny zavaboary rehetra.
Ilay mpanome anjarampivelomana (AR-RAZAK) : Izy no manome sakafo ho an'ny zavaboary rehetra, anisan'izany ny olombelona sy ny jiny ary ny biby rehetra.
Ilay velona (AL-HAYOU) : Izy dia velona tsy mba maty, fa ny zavaboary rehetra kosa dia ho faty.
Ilay Lehibe (AL-AZIM) : Ilay manana ny fahalavorariana rehetra sy ny fahalehibiazana rehetra eo amin’ny anarany sy ny toetrany ary ny fehitsiny.

Valiny34 : Mankatia azy ireo, ary miverina amin'izy ireo manontany raha misy olana na fifandirana ara-pinoana. Tsy miteny momba azy ireo afa-tsy amin'ny hatsarana ihany, Ary izay miteny ratsy momba azy ireo dia nanaraka làlana tsy izy.
Niteny i Allah manao hoe :
(Hasondrotr'i Allah eo amin'ny toerana ambony ireo mino aminareo, sy izay nahazo fahalalana, Ary mahafantatra izay rehetra ataonareo i Allah). [Sourat Al-Moudjadalah : 11].

Valiny35 : Izy ireo dia mpino vontompinoana mpatahotra an'i Allah.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marina fa ireo sakaizan'i Allah dia tsy hanam-patahorana sy halahelo. Ireo izay mino sy manam-patahorana). [Sourat Younosy : 62-63].

Valiny36 : Ny finoana dia teny sy asa ary foto-pinoana.

Valiny37 : Ny finoana dia mitombo amin’ny alàlan'ny fankatoavana ary mihena amin’ny fanaovana fahotana.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ireo tena mpino, dia ireo izay mientana ny fony rehefa tsiahivina anaran'i Allah, ary rehefa tanisaina eo amin'izy ireo ny teny famantarana dia mampitombo ny finoan'izy ireo, ary any amin'ny tompo zanaharin'izy ireo no iankinany). [Sourate-Al- Anfaly : 2].

Valiny38 : Fanompoanao an’i Allah toy ny mahita azy, ary raha tsy mahita azy ianao; Dia fantaro fa izy mahita anao.

Valiny39 - Amin'ny alàlan'ny Fepetra roa :
1-Raha natokana ho an'i Allah irery ihany.
2-Raha mifanaraka amin'ireo fomba amam-panaon'i Mpaminany (S.A.W).

Valiny40 : Ny fiankinan-doha amin’i Allah ilay Tsitoha amin'ny fahazoana ny soa sy fanoherana ny loza, no sady arahin-kasa.
Niteny i Allah manao hoe :
{Ary izay miantehitra amin'i Allah dia ampy ho azy Izy}. [Sourate At-Toalaq : 3].
(Ampy ho azy) : Midika fa mahampy amin'ny fiarovana azy.

Valiny41 - Ny tsara (MAAROUF) : io dia famporisiana ny olona amin'ny fankatoavana an'i Allah ilay avo Tsitoha. Ary ny ratsy (MOUNKAR) : Dia fanakanana ny olona mba tsy hilomano ao anatin'ny fahotana.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ianareo no vahoaka mendrika indrindra izay notsongaina tamin'ireo olombelona rehetra, Satria ianareo no mamporisika ny olona amin'ny fanaovan-tsoa ary mandrara ny olona amin'ny fanaovan-dratsy ary mino an'i Allah...). [Sourat Àl-Imran : 110].

VAliny42 - Ny AHLOU SOUNNA WAL-JAMAA : Dia ireo olona nifikitra amin'ny fampianaran'ny Mpaminany (S.A.W) sy izay nataon'ireo mpiara-diany na amin'ny alàlan'ny teny sy ny fihetsika ary ny foto-pinoana.
Ary nantsoina hoe AHLOU SOUNNA izy ireo :
Nohon'ny fanarahan'izy ireo fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W) ary fiatahan'izy ireo amin'ny karazana forona.
-Nantsoina hoe Al-Djamant izy ireo : Satria noho izy ireo nanaiky nitambatra amin'ireo zavatra marina sy mari-pototra ary tsy mba misaratsaraka manoloana ny fahamarinana.