TARANJA TAFSIR (Fandikana ny Coran)

V1 : Ny sourat Al-Fatiha sy ny dikany :
1- Bismillahi Rahmani Rahim. 2-Alhamdoulillahi Rabbil-Alamina. 3-Arrahmani Rahim. 4-Maliki Yawmiddine. 5- iyaka naaboudou Wa iyaka nastaiine. 6-Ihdina swiratal-moustaquim. 7-Swiratallazina an'amta alaihim ghairil-maghdoubi alaiyhim waladhaalinee. [Sourate-Al-Fatihat : 1-7].
- Ny Fanazavana sy ny dikany :
Nantsoina hoe : Sourat Al-Fatiha ilay Sourat satria avy aminy no hanokafana ny Boky masin'i Allah.
1- (Bismillahi Rahmani Rahim) Izay midika hoe : amin'ny anaran'i Allah no hamakiako ny Coran, maintehatra aminy, mangatam-pahasoavana eo am-pamakiana ny anarany.
- (Allah) dia : ilay tompoina am-pahamarinana, ary tsy misy hafa ankoatra azy antsoina amin'io anarana io.
- (Ar-rahman) Izay midika hoe : tompon'ny famindram-po lehibe izay mandrakotra ny zavatra rehetra ny famindram-pony.
- (Ar-rahim) Izay midika hoe : manana famindram-po amin'ireo mpino.
2- (Alhamdou Lillahi Rabbil Alamina) Izay midika hoe : An'i Allah irery ihany ny fiderana sy fahalavorariana ary ny fahafenoana rehetra.
3- (Arrahmani Rahim) Izay midika hoe : Tompon'ny famindram-po lehibe izay mandrakotra ny zavatra rehetra ny famindram-pony ary tompon'ny famindram-po ho an'ireo mpino.
4- (Maliky Yaomidiny) Izay midika hoe : io dia andro farany.
5- (Iyaka Naaboudo Wa-Iyaka Nasitaynou) Izay midika hoe : ianao irery no tompoinay ary any aminao irery no angatahanay famonjena.
6- (Yhdina Suratal Moustaquim) Izay midika hoe : Tario amin'ny làlana mahitsy izahay dia ny fahistiana ho any amin'ny Islam sy ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.A.W).
7- (Swiratal lazina an aa'mta alaihim. Ghairil maghdhoubi Alaihim Wala Dhwaa'lin) Izay midika hoe : Làlan'ireo mpanompon'i Allah mpanao asa soa toy ireo mpaminany sy izay nanara-dia azy, fa làlan'ireo kristiana sy ny jiosy.
- Ary ny fomba fanaon'ny Mpaminany (S.A.W) ny miteny (AMINE) aorian'ny famakina azy, Izay midika hoe : Valio ny hatakay.

V2 : Sourat ZILZALA sy ny dikany :
- Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Iza Zoulzilatil-Ardhou Zilzaalaha (Rehefa mihorohoro mafy izay tsy izy ny tany). 2- Wa Akhrajatil-Ardhou Athqualaha (Ka hamoaka ireo vesatra tao aminy ny tany). 3- Waqualal Insani Maa Laha (Ka dia hiteny ny olombelona manao hoe : “Fa inona no manjo azy ity (tany) ?)”. 4- Yawmaizin Touhadithou Akbaraha (Ka amin’izany andro izany, dia hilaza ny vaovaony izy). 5- Binanna Rabbaka Awhalaha (Satria ny Tomponao no hibaiko azy amin’izany). 6- Yamaizin Yasdouroun-nasi Achtaatan Liouraw Aamalahoum (Fa amin’izany andro izany dia hivoaka ny fasana misaratsaraka ny olombelona, ka haseho azy ireo ny asa vitany rehetra). 7-Faman Yaamal Mithquala Zarratin Khairan Yarahou (Ka izay manao asa soa na dia bitika indrindra sahala ny lanjan’ny atôma aza, dia ho hitany avokoa izany). 8- Waman Yamal Mithquala zarratin Charran Yarahou (Ary izay manao asa ratsy na dia bitika indrindra sahala ny lanjan’ny atôma aza dia ho hita ihany koa izany). [Sourate-A-zilizala : 1-8].
- Ny Fanazavana sy ny famelabelarana :
1- Iza Zoulzilatil-Ardhou Zilzaalaha (Rehefa mihorohoro mafy izay tsy izy ny tany) : Rehefa mihetsika amin'ny fihetsefana mafy indrindra ny tany izay hitranga amin'ny andro farany.
2- Wa Akhrajatil-Ardhou Athqualaha (Ka hamoaka ireo vesatra tao aminy ny tany). Izay midika hoe : Avoakan'ny tany avokoa izay rehetra ao aminy toy ireo faty izay nalevina tao aminy sy ny hafa ankoatra azy.
3- Waqualal Insani Maa Laha (Ka dia hiteny ny olombelona manao hoe : “Fa inona no manjo azy ity (tany) ?)”. Izay midika hoe : Gaga ny olombelona rehetra ary niteny hoe : Inona re no nanjo ny tany ka nahatonga azy hihetsika sy hanao toy izao?
4- Yawmaizin Touhadithou Akbaraha (Ka amin’izany andro izany, dia hilaza ny vaovaony izy). Izay midika hoe : Amin’izany andro lehibe izany, dia hampafantatra ny tany ny zavatra tsara sy ny ratsy natao teo aminy.
5- Binanna Rabbaka Awhalaha (Satria ny Tomponao no hibaiko azy amin’izany). Izay midika hoe : Satria i Allah no nampahafantatra azy sy nibaiko azy amin'izany.
6- Yamaizin Yasdouroun-nasi Achtaatan Liouraw Aamalahoum (Fa amin’izany andro izany dia hivoaka ny fasana misaratsaraka ny olombelona, ka haseho azy ireo ny asa vitany rehetra). Izay midika hoe : Amin'izany andro lehibe izany, izay hihetsehan'ny tany, dia hivoaka ny olombelona makany amin'ny kianjan'ny fitsarana, ka ho aseho amin'izy ireo avokoa ny asa rehetra vitan'izy ireo teto an-tany.
7-Faman Yaamal Mithquala Zarratin Khairan Yarahou (Ka izay manao asa soa na dia bitika indrindra sahala ny lanjan’ny atôma aza, dia ho hitany avokoa izany). Izay midika hoe : Na iza na iza nanatanteraka ny asa soa toy ny lanjan'ny vitsika dia ho hitany eo anoloany.
8- Waman Yamal Mithquala zarratin Charran Yarahou (Ary izay manao asa ratsy na dia bitika indrindra sahala ny lanjan’ny atôma aza dia ho hita ihany koa izany). Izay midika hoe : Na iza na iza nanatanteraka ny asa ratsy toy ny lanjan'ny vitsika dia ho hitany eo anoloany.

V3 : Ny Sourat Al-Aadyati sy ny fanazavana azy :
Bismillahi Rahmani Rahim.
1- Wal-Aadiati Dhabhan (Mianiana Aho amin'ireo soavaly haingam-pandeha misefosefo). 2- Falmouriati Quadhan (Ka mamoaka pitik'afo avy amin'ny fidoboky ny kitrony). 3- Famoughirati Soubhan (Manafika tampoka amin'ny andro vao maraina). 4- Fa-atharna bihi Naq'aan (Ka mampitora-jofo ny vovoka). 5- Fawasatna bihi Jam'aan (Ary mitsofoka ao afovoan’ny tafiky ny fahavalo). 6- Innal-Insana Lirabihi Lakanoudi (Hamafisina, fa ny olombelona dia tena tsy mahay mankasitraka ny Tompony). 7- Wa Innahou ala zalika Lashahidi (Nefa Izy tena vavolombelona tokoa amin’izany). 8- Wa innahou lihobbil-khair Lashadid (Fa fatra mpitia harena tokoa izy (olombelona). 9- Afala Yaalam Izha Boouthira Ma fil-Qoubouri (Moa tsy fantany ve, fa rehefa hifongatra avy ao am-pasana izy). 10- Wahoswila ma fi-soudouri (Ary haseho izay rehetra ao am-po). 11- Inna rabbahoum bihim Yawmaiizin Lakhabir (Dia hamafisina, fa efa fantatry ny Tompon’izy ireo tanteraka ny momba azy amin’izany andro izany). [Sourate-Al-Aadyati :1-11].
- Fanazavana ny dikany :
1- Wal-Aadiati Dhabhan (Mianiana Aho amin'ireo soavaly haingam-pandeha misefosefo). Izay midika hoe : i Tompo Allah nifanta tamin'ny soavaly izay manana hafaingam-pandeha mirifadrifatra ka heno amin'ny vatany ny feo manambara fa mandeha haingana tokoa izy.
2- Falmouriati Quadhan (Ka mamoaka pitik'afo avy amin'ny fidoboky ny kitrony). Izay midika hoe : Ary mianiana amin'ireo soavaly izay mandrehitra afo ny kitrony raha mikasika ny vato izy ireo noho ny hamafin'ny fiatraikany aminy.
3- Famoughirati Soubhan (Manafika tampoka amin'ny andro vao maraina). Izay midika hoe : Ary mianiana amin'ny soavaly izay manafika ny fahavalo vao maraina.
4-Fa-atharna bihi Naq'aan (Ka mampitora-jofo ny vovoka). Izay midika hoe : Izay nanosika ny vovoka ka nampitera-jofo azy tamin'ny fihazakazahany izy ireo.
5- Fawasatna bihi Jam'aan (Ary mitsofoka ao afovoan’ny tafiky ny fahavalo). Izay midika hoe : Ka dia nanao mpanelanelana tamin'ny mpitaingin-tsoavaliny izy ireo mba hampitambatra ny fahavalony.
6- Innal-Insana Lirabihi Lakanoudi (Hamafisina, fa ny olombelona dia tena tsy mahay mankasitraka ny Tompony). Samihafa ny zavatra irin'ny olona amin'ny tompony.
7- Wa Innahou ala zalika Lashahidi (Nefa Izy tena vavolombelona tokoa amin’izany). Ary izy dia amin'ny fanakanana ny hatsarana dia vavovolombelona, ary tsy afaka manda izany satria mazava tsara izany.
8-Wa innahou lihobbil-khair Lashadid (Fa fatra mpitia harena tokoa izy (olombelona) : Noho ny fitiavam-bola mihoa-pampana no mahatonga azy ho mahihitra izany.
9- Afala Yaalam Izha Boouthira Ma fil-Qoubouri (Moa tsy fantany ve, fa rehefa hifongatra avy ao am-pasana izy) : Moave tsy fantatr'ity olombelona izay voafitaky ny fiainana eto an-tany ity fa rehefa atsangan'i Allah izay rehetra maty tao am-pasana sy navoakany ho any amin'ny toerana fitsarana dia tsy araka izay noeritreretiny ny raharaha?
10- Wahoswila ma fi-soudouri (Ary haseho izay rehetra ao am-po) : Ary ho asongadina sy hazavaina izay ao am-po momba ny fikasana sy ny foto-pinoana ary ny hafa.
11- Inna rabbahoum bihim Yawmaiizin Lakhabir (Dia hamafisina, fa efa fantatry ny Tompon’izy ireo tanteraka ny momba azy amin’izany andro izany) : Marina tokoa fa mahafantatra azy ireo ny tompony amin’izany andro izany, ary tsy misy miafina Aminy ny amin’ny raharahan’ny mpanompony, ary Izy no hitsara azy ireo amin’izany.

V4 : Sourat Al-Quaria sy ny fandikana azy :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Al-Quaria (Ilay mikotrokotroka). 2- Mal-Quaria (Inona moa ilay mikotrokotroka ?). 3- Wama Adraka Mal-Quaria (Moa mba fantatrao ve, inona ilay mikotrokotroka ?). 4- Yawma yakounoun-Nasou kal-farashil Mabthouthi (Andro izay hahatonga ny olona tahaka ny lolo miparitaka). 5- Watakoul-jibali Kal-ihnil Manfouchi (Ary ireo tendrombohitra ho tahaka ny volon’ondry voasaratsaraka). 6-Fa'amma man thaqoulati mawazinohou (Ka izay manana ny asa soa mavesatra amin’ny mizanany). 7- Fahouwa Fi Ichatin Radhia (dia ho ao anaty fiainana feno fahasambarana izy). 8- Wamma man Khaffati Mawazinouhou (Fa izay maivan-danja kosa ny asa vitany). 9- Faoummouhou Hawia (Dia ny lavaka manitsokitsoky ny Afobe no ho fonenany). 10- Wama Ad'raaka Mahiah? (Ary ahoana no hahafantaranao izany hantsana manitsokitsoka tena lalina izany ?). 11- Naroun Hamiya (Afo mavaivay izay tsy misy toy izy). [Sourat Al-quarian : 1-11].
- Fanazavana ny fdikany :
1-Al-Quaria (Ilay mikotrokotroka). Izay midika hoe : Ny ora izay mandondona ny fon'ny olona noho ny halehiben'ny horohoron-tany.
2- Mal-Quaria (Inona moa ilay mikotrokotroka ?). Inona moa ity ora izay mandondona ny fon'ny olona noho ny halehiben'ny horohorony!?
3-Wama Adraka Mal-Quaria (Moa mba fantatrao ve, inona ilay mikotrokotroka ?) : Ary mba fantatra ve - ry iraka - Inona tokoa ity ora izay mandondona ny fon'ny olona noho ny halehiben'ny horohorony!?
4- Yawma yakounoun-Nasou kal-farashil Mabthouthi (Andro izay hahatonga ny olona tahaka ny lolo miparitaka) : Amin’ny andro hitempon’ny fon’ny olona, dia ho toy ny biby kely lolo miparitaka etsy sy eroa izy ireo.
5- Watakoul-jibali Kal-ihnil Manfouchi (Ary ireo tendrombohitra ho tahaka ny volon’ondry voasaratsaraka) : Ary ny tendrombohitra dia tahaka ny volon'ondry mipitipitika amin'ny hamaivanany sy ny fivezivezeny.
6-Fa'amma man thaqoulati mawazinohou (Ka izay manana ny asa soa mavesatra amin’ny mizanany) : Ka raha mavesa-danja ny asa soa manoloana ny asa ratsy.
7- Fahouwa Fi Ichatin Radhia (dia ho ao anaty fiainana feno fahasambarana izy) : Dia ao antin’ny fiainana mahafa-po izay azony ao amin'ny Paradisa.
8- Wamma man Khaffati Mawazinouhou (Fa izay maivan-danja kosa ny asa vitany) : Ary raha mavesa-danja ny asa ratsiny manoloana ny asa soa vitany.
9- Faoummouhou Hawia (Dia ny lavaka manitsokitsoky ny Afobe no ho fonenany) : Dia ny toeram-ponenany sy hitoerany amin'ny andro fitsarana dia ao amin'ny Afobe.
10- Wama Ad'raaka Mahiah? (Ary ahoana no hahafantaranao izany hantsana manitsokitsoka tena lalina izany ?) : Moave fantatrao - ry iraka - Inona izy io?!.
11- Naroun Hamiya (Afo mavaivay izay tsy misy toy izy) : Izany dia Afo lehibe ary tena mafana.

V5 : NySourat AT-TAKATHOUR sy ny dikany :
Bimisllahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Alhakoumou takathour (Varina amin'ny fanangonan-karena tokoa ianareo). 2- Hatta zourtoumoul-maquabir (Eny, mandra-pahatongan’ny fotoana hidiranareo ny fasana). 3- Kalla saofa taalamouna (Tsia! fa mbola ho fantatrareo tsy ho ela izany). 4- Thoumma Kalla saofa taalamouna (Eny, fa tena mbola ho fantatrareo marina tsy ho ela tokoa izany). 5- Kalla laotaalamouna ilmal yaquini (Tsia ! Raha mba fantatrareo amin’ny fahalalana marina izany). 6-Lataraounnal jahim (Dia ho hitanareo tokoa ny Afobe). 7- Thoumma lataraounnaha Aynal-yaquine (Rehefa avy eo, dia ho hitanareo maso amim-pitokisana tokoa izany). 8- Thoumma latous'alounna yawma'izine anin'nayim (Eny, ka amin'izay fotoana izay dia tsy maintsy hanontaniana ianareo amin’izany andro izany momba ireo harena marobe sy ny anjaram-pahasoavana rehetra). [Sourate ATTAKATHOUR : 1-8].
- FANAZAVANA NY DIKANY :
1- (Alhakoumou takathour) : Nanahirana anareo - ry olombelona - ny fireharehana amin'ireo harena sy ny zanaka ka nanakana anareo amin'ny fankatoavana an'i Allah.
2- (Hatta zourtoumoul-maquabir) : Mandrampahafatesanareo ka hidiranareo ao am-pasanareo.
3- (Kalla saofa taalamouna) : Ny fireharehana izay nanahirana anareo sy nanakana anareo tamin'ny fankatoavana an'i Allah, dia ho fantatrareo ny valin'ilay nanahirana anareo.
4- (Thoumma Kalla saofa taalamouna) : Ary tena mbola ho fantatrareo ny valiny.
5- (Kalla laotaalamouna ilmal yaquini) : Eny tokoa, raha fantatrareo marina fa hiverina any amin'i Allah ianareo, ary hanome valin-kasasarana amin'izay asa vitanareo Izy, dia tsy ho variana tamin’ny fireharehana ny fanananareo sy ny zanakareo ianareo.
6- (Lataraounnal jahim) : Mianiana amin'i Allah aho fa hahita mivantana Afobe ianareo amin'ny andro farany.
7- (Thoumma lataraounnaha Aynal-yaquine) : Ary hijery azy mivantana am-pahamarinana tsy misy fisalasalana ianareo.
8-(Thoumma latous'alounna yawma'izine anin'nayim) : Dia hanontany anareo i Allah amin’izany andro izany ny amin’izay nomeny anareo momba fahasoavana toy ny fahasalamana sy ny harena ary ny hafa.

V6 : Ny Sourat AL-Asri sy ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Wal-Asri (Mianiana Aho amin'ny fotoana). 2- Innal-Insana Lafi Khousrin (Ttena marina, ny olombelona dia ao anatin'ny fahaverezana tokoa). 3- (Illalazina Amanou Wamilou-swalihati Watawasaw Bilhakki Watawasaw Bis-swabri) Afa-tsy ireo izay nino sy nanao ny asa soa ary nifananatra amin’ny fanaovana ny fahamarinana ary nifampitaona amin’ny faharetana. [Sourate-Al-Ansiry : 1-3].
- Fanazavana ny dikany :
1- (Wal-Asri) : Eto dia nianiana tamin'ny fotoana i Allah ilayTsitoha.
2- (Innal-Insana Lafi Khousrin) : Hoe : Fa ny olona rehetra dia ao anatin'ny fatiantoka sy faharendrehana.
3- (Illalazina Amanou Wamilou-swalihati Watawasaw Bilhakki Watawasaw Bis-swabri) : Afa-tsy ireo izay nino sy nanao ny asa soa, avy eo niantso ho amin'ny fahamarinana ary niharitra tamin'izany, Dia ireo olona ireo no ho avotra amin'ny fatiantoka.

V7 : Sourat AL-HOUMAZA sy fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Wailoun Likoulli Houmazatin Loumaza (Loza ho an’ireo izay mpanendrikendrika sy mpifosa). 2- Allahzi Jama'aa Malan Wa addadah (Izay nanangon-karena sy fatra mpanisa izany). 3- Yahsabou Anna Malahou Akhladahou (Mihevitra izy fa ny hareny no hampaharitra azy mandrakizay). 4- Kalla Layounbazanna Fil-houtwamat (Tsia ! fa tsy maintsy havarina ao anaty afobe izay mamotika tokoa izy). 5- Wamaa Ad'raka Mal-houtwamat (Moa ve mba fantatrao, hoe inona izany afobe mamotika izany?). 6- Naroullahil-Mouquadat (Izany dia Afon’i Allah izay miredareda). 7- Allatii Tat'twliou Alal-Af'iidat (Izay mipaka sy miantefa hatrany am-po lalina any). 8- Innaha Alaihim Mou'swada (Ka handrakotra sy hanapitra azy ireo izany). 9- Fi amadin Moumadda (Izay milelalela anatin’ny tsatoka avo mivelatra). [Sourate-Al-Houmaza : 1-9].
- Fanazavana ny dikany :
1- (Wailoun Likoulli Houmazatin Loumaza) : Loza sy sazy mahery vaika ho an'ny olona be fosafosa, arymanendrikendrika ireo namany.
2- (Allahzi Jama'aa Malan Wa addadah) : Izay tsy manana heritreritra afa-tsy ny fanangonana ny harena sy ny fanisana izany, tsy miasa loha amin'ny zavatra hafa ankoatr'io.
3- (Yahsabou Anna Malahou Akhladahou) : Mihevitra izy fa ilay harena nangoniny hanavotra azy amin'ny fahafatesana, ka hijanona velona mnadrakizay eto an-tany.
4- (Kalla Layounbazanna Fil-houtwamat) : Tsy tahaky ny niheritreretinao ny zavatra mandalo ry vendrana ty, hohatoraka ao amin'ny Afobe izay hamotika sy hamaky izay zavatra ampidirina ao aminy noho ny hafanany.
5- (Wamaa Ad'raka Mal-houtwamat) : Mba fantatrao ve - ry iraka - inona ity afobe mamotika izay zavatra atsipy ao aminy?!
6- (Naroullahil-Mouquadat) :Izany dia afon'i Allah miredareda.
7- (Allatii Tat'twliou Alal-Af'iidat) : Izay miditra ao amin'ny vatan'ny olona mankany amin'ny fony.
8- (Innaha Alaihim Mou'swada) : Izy io natokana ho an'ireo voasazy ary mihidy ao.
9- (Fi amadin Moumadda) : Izay misy fefy lava mba tsy hivoany ao.

V8 : Ny Sourat AL-FIL sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahman Rahil (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Alam tara kaifa fa'aala rabbika bi'ashabil-fil (Moa tsy hitanao ve, nanao ahoana ny fomba nanaovan’ny tomponao ireo olon’ny elefanta ?). 2- Alam yaj'aal kaidahoum fi tadhlil (Fa tsy nataony zava-poana fotsiny ve ny teti-dratsin’izy ireo ?). 3- Wa arsala alaihim twayran ababil (Ka nandefasany andiam-borona maro mifanesy izy ireo). 4- Tarmihim bihijaratin min sijjil (Izay nitoraka azy ireo tamin’ny tany manga avy amin’ny afobe). 5- Faja'alahoum Ka'asfin Ma'akouli (Ka nataony mitovy amin’ny mololo voatsako izy ireo). [Sourat AL-Fil : 1-5].
- Fanazavana ny dikany :
1- (Alam tara kaifa fa'aala rabbika bi'ashabil-fil) : Tsy fantatrao ve - ry iraka - Ahoana nanaovan'ny tomponao an'i Abraha sy ireo olon'ny Elefanta tamin'ny fotoana saika hamotehan'izy ireo ny KAABA?!
2- (Alam yaj'aal kaidahoum fi tadhlil) : Nataon’i Allah ho very maina ny tetika ratsiny handrava izany (Ny KAABA), ka tsy nahazo izay niriany tamin’ny fampiviliana ny olona hiala amin’ny Kaaba izy ireo, ary tsy nahazo na inona na inona tamin’izany.
3- (Wa arsala alaihim twayran ababil) : Ka nanefasan'i Allah vorona kely hamely azy ireo, izay tonga miaraka maro.
4- (Tarmihim bihijaratin min sijjil ) : Izay nitoraka vato tanimanga azy ireo.
5- Faja'alahoum Ka'asfin Ma'akouli : Koa nataon’i Allah toy ny ravin-kazo nohanin'ny biby sy nohitsakitsahiny izy ireo.

V9 : Ny Sourat COURAICH sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Li'ilaafi Couraich (Nohon'ny fifanarahan'ireo koreisita). 2- iilafihim rihlata'shitaa'ii Waswaif (Fifanekena sy fifanarahana nataon’izy ireo momban'ny fandehanana mandritran'ny andro ririnina sy amin’ny andro fahavaratra). 3- Fal'yaaboudou rabba hazalbaiti (Ka dia aoka hanompo ny Tompon’ity trano masina ity izy ireo). 4- Allazi At''amahoum min Jou'iin Wa aamanahoum min khaoufi (Izay nampihinana anjara azy ireo tao anaty hanoanana ary nampitony sy nanome fandriam-pahalemana azy ireo avy tao anaty tahotra). [Sourat COURAICH : 1-4].
- Fanazavana ny dikany :
1- (Li'ilaafi Couraich) : Ny tiany hambara eto dia ireo zavatra nahazatra azy ireo tamin'ny fandehanana ara-barotra izay fanaon'izy ireo amin'ny andro ririnina sy main-tany.
2- (iilafihim rihlata'shitaa'ii Waswaif) : Ny fandehanana ara-barotra izay natao tamin'ny ririnina nankany Yamen, ary ny fandehana ara-barotra izay natao tamin'ny andron'ny main-tany kosa dia nandeha tany Chami izay tao anatn'ny filaminana tanteraka.
3- (Fal'yaaboudou rabba hazalbaiti) : Aoka ianareo mba hanompo an'i Allah irery ihany, tompon'ilay trano masina (AL-KAABA), izay manamora ny fandehanana ara-barotra rehetra izay ataonareo, ary tsy misy mpikambana aminy.
4- (Allazi At''amahoum min Jou'iin Wa aamanahoum min khaoufi) : Izay nampisakafo azy ireo tamin'ny hanoanana, ary nampitony azy ireo tamin'ny fatahorany, Tamin’izay napetraka tao am-pon’ny Arabo mba hanomezam-boninahitra ny fitoerana masina sy hanomezam-boninahitra ny mponina ao aminy.

V10 : Ny Sourat AL-MAOUNA sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1 - Ara'aitallazi Youkazzibou Biddini (Mba hitanao ve ilay olona tsy mino ka milaza, fa lainga ny Andro fitsarana?). 2 - Fazalikallazi Yadool-yatim (Izany ilay manosi-boho-tànana ny kamboty). 3 - Wala Yahouddou Ala Twa'amil-miskini (No sady tsy mamporisika amin’ny fampihinanana ireo mahantra). 4- Fawailoun Lilmouswallin (Koa loza ho an'ireo mpivavaka - mpanao Swalat-). 5 - Allazina houm An swalatihim sahouna (Ireo izay manao an-tsirambina ny vavaka fanompoan’izy ireo). 6 - Allazina houm Youra'ouna - (Sy ireo feno fatra ny fisehosehoana amin’ny asany). 7- Wayamnaounal-Maouna (Ary ireo izay manakana ny fanampiana (ho an'izay mila izany). [Sourat AL-MAOUNA : 1-7].
- Fanazavana ny dikany :
1 - (Ara'aitallazi Youkazzibou Biddini) : Mba fanatatrao ve ilay olona mandà ny fisian'ny fitsarana amin'ny andro farany?!
2 - (Fazalikallazi Yadool-yatim) : Izy tokoa no ilay olona manositosika sy mandroaka mafy ireo zaza kamboty amin'izay filany.
3 - (Wala Yahouddou Ala Twa'amil-miskini) : Ary tsy mamporisika ny tenany, sy ny hafa amin'ny fampisakafoana ireo mahantra.
4- (Fawailoun Lilmouswallin) : Koa faharendrehana sy fanasaziana ho an'ireo mpivavaka (mpanao swalat).
5 - (Allazina houm An swalatihim sahouna) : Ireo izay manao tsirambina sy kilalao ny fanompoam-pivavahan'izy ireo, tsy miraharaha na dia efa mivoaka aza ny fotoana izay tokony hanatanterahana azy.
6 - (Allazina houm Youra'ouna) : Sy ireo izay maneho ny fisehosehoana ho hitan'ny hafa amin'ny fanompoam-pivavahana ataon'izy ireo sy ny asa soa ataony, izay tsy mba manokana ny asany ho an'i Allah.
7- (Wayamnaounal-Maouna) : Ary manakana ny fanampiana ny hafa amin'ny fomba tsy misy maharatsy ny fanampiana izy ireo.

V11 : Ny Sourat AL-KAWTHAR sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1 - Inna Aa'twainakal-Kawthar (Tena marina tokoa fa efa nomenay anao avokoa ny fahabetsaham-pahasoavana). 2- Faswalli Lirabbika wanhar : (Koa mivavaha ho an’ny Tomponao ianao ary manaova sorona ho Azy). 3- Inna Chaaniaka Houwal-Abtar (Ary tena marina fa izay mankahala anao ihany no lany taranaka). [Sourat AL-KAWTHAR : 1-3].
- Fanazavana ny dikany :
1 - (Inna Aa'twainakal-Kawthar) : Tena marina fa efa nomenay anao - ry iraka - ny hahasoavana betsaka, ary isan'izany ny renirano AL-KAWTHAR ao amin'ny Paradisa.
2- (Faswalli Lirabbika wanhar) : Ka misaora an'i Allah amin'io fahasoavana io, ary mivavaha aminy irery ary manolora sorona ho azy, izay mifanohitra amin'ny ataon'ireo mpanompo sampy amin'ny alàlan'ny fanaovana sorona ataon'izy amin'ny sampiny.
3- (Inna Chaani-aka Houwal-Abtar) : Izay mankahala anao dia voarara amin'ny tsara rehetra, ary adino, fa rehefa tsiahivina kosa dia tsiahivina amin'ny haratsiana.

v12 : Ny Sourat AL-KAFIROUNE sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Qoul Ya-ayouhal-Kafiroune (Lazao hoe : “Ô ianareo tsy mpino). 2- La-aaboudou ma ta'aboudouna (Tsy hanompo izay tompoinareo Aho). 3- Walaa antoum-aabidouna ma aaboudou (Ary ianareo koa, dia tsy hanompo izay tompoiko). 4- Wala ana aabidoun ma abad'toum (Ary izaho koa, dia tsy hanompo izay tompoinareo na oviana na oviana). 5- Walaa antoum-aabidouna ma aaboudou (Ary ianareo koa, dia tsy hanompo izay tompoiko). 6- Lakoum dinoukoum Walyadini (Ka ho anareo ny finoanareo sy ny fivavahanareo, ary dia ho Ahy kosa ny Finoako sy ny Fivavahako). [Sourato AL-KAFIROUNE : 1-6].
- Fanazavana ny dikany :
1- (Qoul Ya-ayouhal-Kafiroune) : Teneno - ry iraka - : “Ô ianareo tsy mino an'i Allah.
2- (La-aaboudou ma ta'aboudouna) : Tsy hanompo ireo sampy tompoinareo aho na ankehitriny na any aoriana.
3- (Walaa antoum-aabidouna ma aaboudou) : Ary ianareo ihany koa dia tsy hanompo ilay Tompo izay tompoiko, tsy iza izany fa i Allah irery ihany.
4- (Wala ana aabidoun ma abad'toum) : Ary izaho dia hanompo ireo sampy tompoinareo.
5- (Walaa antoum-aabidouna ma aaboudou) : Ary ianareo ihany koa dia tsy hanompo ilay Tompo izay tompoiko, tsy iza izany fa i Allah irery ihany.
6- (Lakoum dinoukoum Walyadini) : Manana ny fivavahanareo izay noforoninareo ho anareo ianareo, ary izaho kosa manana ny fivavahako izay nampidinin'i Allah amiko.

V13 : Ny Sourat AN-NASRI sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Iza jaa'aa nasroullahi Wal-fathi (Rehefa tonga ny famonjen’i Allah sy ny fandresena). 2- Wara'aitannasa Yadkhoulouna fidinillahi Afwajan (Ka hahita andian’olona maro hiditra amin’ny Finoan’i Allah ianao). 3- Fasabbih-bihamdi rabbika wastaghfirhou innahou kaana tawwaban (Dia derao ny voninahitry ny Tomponao ary mangataha famelan-keloka Aminy, satria fatra Mpandray fibebahana tokoa Izy). [Sourat AN-NASRI : 1-3].
- Fanazavana ny dikany :
1- (Iza jaa'aa nasroullahi Wal-fathi ) : Ka rehefa tonga ny famonjen’i Allah momba ny finoanao - ry iraka - sy ny fampandresena azy amin'ny tranga fahazoana tanànan'ny Makkat.
2- ( Wara'aitannasa Yadkhoulouna fidinillahi Afwajan) : Ka hahita andian’olona maro hiditra amin’ny Finoana Islam delegasiona mifanesisesy.
3- ( Fasabbih-bihamdi rabbika wastaghfirhou innahou kaana tawwaban) : Koa fantaro fa izany no famantarana ny fiafaran’ny iraka nanirahana anao, koa mankalazà ny fiderana ny tomponao, misaorà Azy noho ny tsodranon’ny famonjena sy ny fandresena, ary mangataha famelan-keloka Aminy, fa mandray fibebahan'ny mpanompony izy, ary mamafa ny helok'izy ireo.

V14 : Ny Sourat AL-MASADI sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Tabbati yadaa abi lahabin Watabb (Ho levona anie ny tànan’i Abo-Lahab ankiroa ary ho levona koa ny tenany). 2- Maa aghna anhou malouhou wamaa kassab (Tsy hahasoa azy akory na ny hareny na izay azony). 3- Sayasla naran zata lahabin (Fa hiditra ao amin’ny afobe miredareda izy). 4- Wamra'atouhou hammalatal-hatwabi (Toy izany koa ny vadiny, ilay mpitondra kitay feno tsilo). 5- Fijidiha habloune min masadi (Misy tady voarandrana eo amin’ny vozony). [Sourat AL-MASADI : 1-5].
- Fanazavana ny dikany :
1- (Tabbati yadaa abi lahabin Watabb) : Matiantoka ny tànana anakiroan'ny dadatoan'ny Mpaminany (S.A.W), i Abou Lahab bin Abdoul Mouttalib noho ny fatiantoky ny asany nataony, raha izy nanao ratsy an'ny Mpaminany (S.A.W), ary matiantoka ny fikatsahany.
2- (Maa aghna anhou malouhou wamaa kassab) : Ka na tahaky ny ahoana aza fanànany harena sy ny zanaka? dia tsy hahavita hanavotra azy amin'ny sazin'i Allah, ary tsy mitondra famindram-po aminy.
3- (Sayasla naran zata lahabin) : Amin'ny Andro farany dia hiditra ao amin’ny afo izay miredareda, ary hiaritra ny hafanany.
4- (Wamra'atouhou hammalatal-hatwabi) : Ary ny vadiny, i Omm Jamil, izay nampijaly an'ny Mpaminany (S.A.W), dia hiditra ao amin'ny Afobe, noho ny fanipazany tsilo tamin'ny làlan'ny làlan'ny Mpaminany (S.A.W).
5- (Fijidiha habloune min masadi) : Misy tady mihodinkodina tsara eo amin’ny tendany, izay hitondrana azy ho any amin’ny afo.

V15 : Ny Sourat AN-NASRI sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Qoul Howallahou Ahad (Lazao hoe : "Izy Allah dia Tokana"). 2- Allahou Swamad (Allah dia antenain'ny rehetra). 3- Lam Yalid Walam Youlad (Tsy niteraka Izy ary tsy nateraka). 4- Walam yakoun Lahou Koufouwan Ahad (Ary tsy misy na iray aza mitovy Aminy). [Sourat AL-IKHLAS : 1-4].
- Fanazavana ny dikany :
1- (Qoul Howallahou Ahad) : Teneno - ry Iraka - : “Izy Allah dia tokana ary tsy misy ankoatr'Azy."
2- (Allahou Swamad) : Any aminy no hiakaran'ireo filan'ny zavaboary rehetra.
3- (Lam Yalid Walam Youlad) : Ka tsy manana zanaka izy Allah ilay Tsitoha no sady tsy manana ray niteraka.
4- (Walam yakoun Lahou Koufouwan Ahad) : Ary tsy misy misy mitovy aminy na iray amin'ireo zavaboariny.

V16 : Ny Sourat AL-FALAQ sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Qoul Aouzou birabbil-Falaq (Lazao hoe : “Mitady fiarovana avy amin’ny Tompon’ny maraina vao mangiran-dratsy aho.") 2- Min Sharri Ma Khalaq (Manoloana ny haratsian’izay nohariany). 3- Wamin Sharri Ghasiqin iza waqab (sy ny kitroky ny haizina rehefa alina tanteraka ny andro). 4- Wamin Sharrin naffathati fil-ouquad (ary ny haratsian’ireo mpitsoka (mpamosavy) amin’ny vona). 5- Wamin Sharri hasidin Iza hasada (sy ny haratsian’ny mpialona rehefa velom-pialonana). [Sourate AL-FALAQ : 1-5].
- Fanazavana ny dikany :
1- (Qoul Aouzou birabbil-Falaq) : Teneno - ry Iraka - Mifikitra amin'ny tompon'ny maraina aho, ka mangataka fiarovana aminy.
2- (Min Sharri Ma Khalaq) :Amin'ny haratsiana manimba ireo zavaboary.
3- (Wamin Sharri Ghasiqin iza waqab) : Ary mitady fialofana amin'i Allah aho amin'ireo ratsy miseho amin'ny alina amin'ny biby sy ny mpangalatra.
4- (Wamin Sharrin naffathati fil-ouquad) : Ary mangataka fiarovana ny tenako amin'ny faharatsian'ny mpamosavy mitsoka ny fatotra.
5- (Wamin Sharri hasidin Iza hasada) : Ary mangataka fiarovana amin’ny faharatsian’ny olona mankahala ny namany rehefa velom-pialonana amin'ny fahasoavana nomen’i Allah azy ireo, ka maniry ny hanjavonany tsy ho eo amin'izy ireo, ary hanisy ratsy azy ireo.

V17 : Ny Sourat AL-FALAQ sy ny fanazavana ny dikany :
1- Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1-Qoul Aouzou Birabbin Nasi (Lazao hoe : “Mitady fiarovana avy amin’ny Tompon’ny olombelona Aho). 2- Malikin-Nasi (Ilay Mpanjakan'ny olombelona). 3- Ilahin-Nasi (Andriamanitry ny olombelona). 4- Min Sharil-Waswasil Khannasi (Manoloana ny haratsian’ireo mpibitsika antsokosoko). 5- Allazi Youwaswisou fisodorin-Nasi (Izay mibitsibitsika ao am-pon’ny olombelona). 6- Minal-Jinnati Wan-Nasi (Avy amin’ny Jiny izany sy avy amin’ny olombelona). [Sourat AN-NASI : 1-6].
- Fanazavana ny dikany :
1- (Qoul Aouzou Birabbin Nasi) : Teneno - ry Iraka - Mifikitra amin'ny tompon'ny olombelona aho, ka mangataka fiarovana aminy.
2- (Malikin-Nasi) :Manao izay tiany amin'izy ireo, ary tsy manana mpanjaka hafa izy ireo ankoatra azy.
3- (Ilahin-Nasi) : Tompo tomoin'izy ireo am-pahamarinana, ka tsy misy tompo tompoina am-pahamarinana ankoatra azy.
4- (Min Sharil-Waswasil Khannasi) :Manoloana ny faharatsian’i Satana, izay manipy bitsibitsika ratsy amin’ny olona.
5- (Allazi Youwaswisou fisodorin-Nasi) : Izay manipy ny bitsibitsika ratsy ao am-pon'ny olombelona.
6- (Minal-Jinnati Wan-Nasi) :Ilay mpibitsibitsika ratsy dia mety avy amin'ny olombelona na koa avy amin'ny Jiny.