TARANJA FAHALALAM-POMBA ISLMAIKA

V1 : 1-Fanomezam-boninahitra azy ilay avo Tsitoha.
2-Fanompoana azy irery ary tsy misy mpikambana aminy.
3-Fankatoavana azy.
4-Fanalavirana ny fanotana azy.
5-Fankasitrahana azy amin'ireo karazam-pahasoavana sy fitahina izay tsy tambo isaina.
6-Fiaretana amin'ireo lahatra nataony.

V2 : Fanarahana azy sy fakana azy ho modely.
2-Fankatoavana azy.
3-Manalavitra ny fanotana azy.
4-Finoana sy fanekanaamin'izay rehetra nolazainy.
5- Tsy mamorona na manampy ireo sori-dàlana napetrany.
6- Ny Fitiavana azy lehibe mihoatra ny vatatena sy ny olombelona rehetra.
7- Fanomezam-boninahitra azy sy fanohanana azy ary fiarovana ny sori-dàlany.

V3 : 1-Fankatoavana ny ray aman-dreny raha tsy mbola ao anatin'ny fahotana.
2- Fitahina ireo ray aman-dreny.
3- Fanampiana ireo ray aman-dreny.
4- Manome ireo hetahetan'ny ray aman-dreny.
5-Fangataham-pitahina (Douan) ho an'ireo Ray aman-dReny.
6- Milamahalala fomba miaraka amin'ireo indrindra amin'ny teny avoaka, ka tsy mahazo miteny hoe : Eisy!, ary io no teny tsy fanajana ambany indrindra.
7- Mitsikitsiky manoloana ny ray aman-dreny ary tsy mimenomenona.
8- Tsy mampiakatra ny feoko ho ambonin'ny feon'ny ray aman-dreny aho, mihaino azy ireo aho, tsy manapaka azy ireo rehefa miresaka, tsy miantso azy ireo amin'ny anarany, fa hoy aho hoe: "Raiko", "Reniko".
9- Mangataka alàlana aho mialohan'ny hidirana ao amin'ny raiko sy ny reniko raha mbola ao anaty efitrano izy ireo.
10- Manoroka ny tànana sy ny lohan'ny ray aman-dreny.

V4 : 1-Famangiana havana akaiky toy ny anadahy, anabavy, dadatoa, nenitoa, rahalahin-dray, anabavin-dray sy ny havany sisa.
2-Fanaovan-tsoa amin'izy ireo amin'ny alàlan'ny teny sy fihetsika ary fanampiana azy ireo.
3- Anisan'izany fiantsoana azy ireo amin'ny finday mba manontany ny momba azy ireo.

V5 : 1-Mankatia sy miaraka hatrany amin'ireo tsara fitondran-tena.
2-Manalavitra sy mihataka ireo ratsy fitondran-tena.
3-Miarahaba ireo rahalahiko sy mifandray tànana amin'izy ireo.
4-Mamangy azy ireo raha sendra marary ary mangataka fahasalamana ho azy.
5-Ary mandeha Douan Yarhamoukallaho ho azy rehefa mihevina.
6-Mamaly ny fanasany raha sendra miantso ahy hamangy azy.
7-Manolotra sosokevitra ho azy.
8-Manampy azy raha sendra voambaka, ary manakana azy amin'ny fanambakana.
10-Mankatia zava-tsoa ho an'ny rahalahiko silamo tahaky ny hitavako izany ho an'ny tenako.
11-Manampy azy aho raha sendra mila vonjy amiko.
12-Tsy manao ratsy azy na amin'ny teny na amin'ny fihetsika.
13-Tazomiko mandrakariva ny tsiambaratelony.
14-Tsy manompa azy, tsy mifosafosa azy, tsy manambanimbany azy, tsy mialona azy, tsy mitsikilo azy, tsy mamitaka azy.

V6 : 1-Manao soa amin'ireo mpiray vodirindrina amiko amin'ny alàlan'ny teny sy ny fihetsika ary manampy azy aho raha sendra mila vonjy amiko.
2-Miarahaba azy aho rehefa faly toy ny fetin'ny Eid sy ny fanambadiana na koa ankoatr'izay.
3-Mamangy azy raha marary ary miara-miory aminy raha sendra fahorina.
4-Manome izay nomaniko tamin'ny sakafo raha mahampy.
5-Tsy manao ratsy azy na amin'ny fiteny na fihetsika.
6-Tsy manelingelina azy amin'ny fampiakaram-peo aho no sady tsy mitsikilo azy, ary miharitra amin'izay zavatra ataony amiko.

V7 : 1-Manaiky izay nanasa ahy hampiantrano azy aho.
2- Raha te hitsidika olona ianao dia mangataha alàlana sy fotoana.
3-Mangataka alàlana aho mialohan'ny hidirana.
4-Tsy mijanona ela loatra aho rehefa mamangy olona.
5-Ary mampihondrika fijery aho manoloana ireo ankohony.
6- IMiarahaba an'ilay vahiny aho ary mandray azy amin'ny fomba tsara indrindra, amin'ny endrika falifaly, ary amin'ny fomba fiteny mahafinaritra indrindra.
7- Ampetrako amin'ny toerana tsara sy mahafinaritra ilay vahiny.
8- Ary omeko voninahitra amin'ny sakafo sy ny zava-pisotro ilay vahiny.

V8 : 1- Rehefa mahatsapa fanaintainana aho; Mametraka ny tanako ankavanana eo amin’ny faritra manaintaina, dia miteny hoe: “Bismillahi - Amin’ny anaran’i Allah” in-telo, avy eo miteny hoe: “Aozou Bi'izzatillahi Waqoudratihi Min Charri Ma ajidou Wa Ouhazir - izay midika : Mangataka fiarovana amin’ny voninahitr'i Allah sy ny heriny manoloana ny faharatsian’izay hitako sy atahorany” im-pito.
2- Manaiky izay nalahatr'i Allah amiko sy miharitra aho.
3- Hafainganiko famangiana ny rahalahiko marary, ary mivavaka ho azy aho, ary tsy mijanona ela eo aminy.
4-Mamaky ireo toninm-bavako aminy aho na dia tsy mangataka izany amiko aza izy.
5- Manoro hevitra azy aho mba hanam-paharetana, hitalaho (hanao Douan), hivavaka, ary hanadio ny tenany araka izay azony atao.
6-Douan ho an’ny marary : “As'aloullahal-azim rabbil-archil Azim An-Yachfika - Izay midika hoe : Mangataka amin'i Allah ilay tsitoha, tompon'ny seza fiandrianana lehibe mba hanasitrana anao" vakina im-pito.

V9 : 1- Fanokanana ilay fikasana fitadiavana fahalalana ho an'i Allah irery ihany.
2-Ampihariko ilay fahalalana nianarako.
3-Hajaiko ny mpampianatra ary omeko voninahitra na manoloana ahy na any ambadika.
4-Mipetraka am-pahendrena aho manoloana ny mpampianatra.
5-Mangina aho sady miahino azy ary tsy manapaka ny fampianarany.
6-Mahalala fomba rehefa hametra-panontaniana.
7-Tsy antsoiko amin'ny anarany izy (ilay mpampianatra).

V10 : 1-Miarahaba an'ireo mpivory aho.
2-Mipetraka eo amin'ny fihafaran'ny fipetrahan'ny mpivory aho, tsy mampitsangana olona amin'ny toerany no sady tsy mipetraka eo anelanelan'ny olona roa raha tsy nahazo alàlana avy tamin'izy roa.
3-Mikisaka aho mba hanome toerana sy hepetrahan'ny hafa.
4-Tsy manapaka resaka eo am-pivorina.
5-Mangataka alàlana sy manao veloma rehefa hiala ny fivorina.
6- Rehefatapitra ny fivorina dia mamaky ilay Douan famaranana ny fivorina : "Soubhanakallahouma Wabihamdika, Ach'hadou An-Lailaha illa Anta, Astaghfirouka Wa atoubou ilaika".

V11 : 1-Matory aloha aho.
2-Matory miaraka amin'ny fahadiovana (Ouzou).
3-Tsy matory miankohoka aho.
4- Matory amin’ny ilany ankavanana aho, ary ataoko eo ambanin’ny takolako havanana ny tanako havanana.
5- Akopako ny fandrina.
6-Mamaky ireo tonim-bavaka fanao mialohan'ny matory aho, toy ny Ayatoul-Koursiou, sy ny Sourat Ikhals, sy ny fiarovana anakiroa (Qoul Aouzou birabbil Falaq - sy Qoul Aouzou birabbin Nasi) vakina in-telo. Avy eo aho miteny hoe : "Bismikallahoumma Amouto Wa Ahya".
7-Mifoha mamonjy ny Swalat Fajri aho.
8- Aorian'ny fifohazako amin'ny torimaso,dia miteny aho hoe : "Alhamdoulillahi Lazi Ah'yiana ba'ada ma amaatana Wa ilaihn-noushour".

V12 :
1- Minia aho, amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ataoko, mba hampahery ny tenako amin’ny fankatoavana an’i Allah.
2-Fanasana ny tànana roa mialohan'ny hisakafo.
3- Miteny aho hoe : “Bismillahi - Amin’ny anaran’i Allah”, ary mihinana amin’ny tanako havanana sy izay manakaiky ahy aho, ary tsy mihinana eo afovoan’ny lovia, na eo faritry ny hafa.
4-Raha nanadino niteny anaran'i Allah aho dia miteny hoe : "Bismillahi Fi Awwalihi Wa akhirihi - Amin'i anaran'i Allah tamin'ny fiandohany sy ny fihafarany".
5- Mifaly amin'ny sakafo misy eo aho, ary tsy mitsikera sakafo, raha tiako dia mihinana aho, ary raha tsy tiako kosa dia avelako.
6-Mihinana kelikely fotsiny aho, fa tsy mihinana marobe.
7-Tsy mitsoka amin'ny sakafo na zava-pisotrao aho, fa avelako manadram-pangatsiahany.
8-Miara-misakafo amin'ny fianakaviana na ny vahiny aho.
9- Tsy manomboka misakafo alohan'ny olon-dehibe kokoa noho izaho aho.
10-Manonona anaran'i Allah aho rehefa misotro, ary misotro mipetraka aho ka in-telo miantoana ny fisotroako.
11- Misaotra an'i Allah aho rehefa avy nisakafo.

V13 : 1-Manomboka manao ny akanjoko amin’ny ilany havanana aho, ary misaotra an’i Allah noho izany.
2-Tsy alaivaiko hatrany ambainin'ny kitro roa ny lambako.
3- Ny ankizilahy tsy manao ny akanjon’ny ankizivavy, ary ny ankizivavy tsy manao ny ankizilahy.
4- Tsy maka tahaka ny fitafian’ny tsy mpino na ireo ratsy fitondran-tena.
5- Ny fitenenana Bismillahi (Amin'ny anaran'i Allah) eo am-panalana ny akanjo.
6-Manomboka amin'ny havanana rehefa hanao kiraro, ary manomboka amin'ny havia rehefa manala azy.

V14 : 1 -Miteny hoe : Bismillahi (Amin'ny anaran'i Allah) aho. Avy eo "Soubhanallazi Sakhara lana haza Wama kounna lahou mouqrinina". Ary "Wa inna ila rabbina lamounqalibouna". [Sourat Àzzohrouf : 13 -14].
2- Raha sendra mandalo eo anatrehan'ny mpino silamo dia miarahaba azy aho.

V15 : 1-Tony sy manetry tena aho amin’ny fandehanako, ary mandeha eo ankavanan’ny làlana aho.
2-Arabahabaiko izay mifanena amiko.
3- Mampihondrika fijery aho, ary tsy mampahory ny hafa.
4-Mamporisika amin'ny fanaovana tsara, ary mandrara amin'ny fanaovana ratsy.
5-Manala ireo zavatra mety handratra eny an-dàlana.

V16 : 1-Mivoaka ny trano amin'ny tongotro havia aho ary miteny hoe : "Bismillahi, Tawakaltou alallahi, La hawla wala kouwwata illa billahi, allahoumma inni aouzou bika an Oudhilla awou oudwalla, Aw azilla aw ouzalla, ao azlim aw ouzlam, aw ajhal ao youjhal alaiya". 2-Miditra ny trano amin'ny tongotro havanana aho ary miteny manao hoe : "Bismillahi Waljna, Wabismillahi kharajna, Wa alallahi tawakalna".
3-Miatomboka amin'ny fborisina nify kely amin'ny siwak aho ary miarahaba ireo ankohonako.

V17 : 1-Miditra ny toeram-pivoahana amin'ny tongotro havia.
2- Arymamaky ilay Douan aho mialohan'ny hiditra ao : "Bismillahi, Allahoumma inni Aouzou bika minal-khoubthi Wal-khabaa'ith".
3-Tsy mitondra zavatra misy anaran'i Allah aho.
4-Miafina tsy hitan'ny olona aho eo am-pivoahana.
5- Tsy miteny aho eo am-pamoahana maloto.
6-Tsy mitodika ny Quiblat aho na miamboho azy rehefa eo am-pivoahana ranony na ventiny.
7-Mampiasa tànako havia aho eo am-panadiovana ny loto, fa tsy mampiasa ny tànako havanana.
8-Tsy mivoaka eo amin'ny làlan'ny olona aho sy ny toerana fialokalohan'izy ireo.
9-Manasa tànana aho aorian'ny fivoahako.
10-Mivoaka amin'ny tongotro havanana aho ary dia miteny hoe : "Ghoufranaka".

V18 : 1- Miditra ny mosquée aho amin'ny tongotro havanana ary miteny manao hoe : "Bismillahi, Allahoumaftah-Li Abwaba rahmatika".
2-Tsy mipetraka aho raha tsy efa nanao Swalat 2 Rakkats.
3-Tsy mandalo manoloana an'ireo mpanao Swalat aho ary tsy manontany zavatra very ao amin'ny mosquée, ary tsy mivarotra na mividy zavatra ao amin'ny mosquée.
4-Mivoaka ny mosquée amin'ny tongotro havia aho ary miteny manao hoe : "Allahoumma Inni As'alouka min fadhlika".

V19 : 1- Rehefa mifanena amin'nympino silamo aho dia miaraha azy mialoha, amin'ny fitenanana hoe : "ASSALAm ALAIKOUM WARAHMATOULLAHI WABARAKATOUH", tsy misy afa-tsy ny fiarahabana; ary tsy manondro amin'ny tànako aho.
2-Mitsika amin'ireo olona izay arahabaiko aho.
3-Mandray tànany amin'ny tànako havanana.
4-Izay miarahaba ahy dia valiko amin'ny fiarahabana tsaratsara koa noho ny azy na mitovy amin'izay nataony.
5-Tsy miarahaba an'ireo tsy mpino aho, ary raha sendra miarahaba ahy dia hovaliko toy ny fiarahabana nataony ahy.
6-Ny kely miarahaba ny lehibe, ny mitaingina miarahaba ny mpandeha, ny mandeha miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro.

V20 :Miera aho mialohan'ny hiditra ny toerana iray.
2-Mandondona in-telo aho ary tsy manampy ankoatr'izay, fa raha tsisy mampandroso dia mverina aho.
3-Mandondona ny varavarana aho, ary tsy mitsangana manoloana ny varavrana, fa na any amin'ny ilany ankavanana na ankavia.
4-Tsy miditra ao amin'ny efitranon'ny reniko na raiko na olon-kafa aho mialohan'ny fierana aminy, indrindra amin'ny maraina be sy ny fialan-tsasatra amin'ny atoandro ary aorin'ny Swalat Ichaa.
5-Afaka miditra amin'ny toerana tsy misy olona mipetraka aho, toy ny : hopitaly na fivarotana, na dia tsy nangataka alàlana aza.

V21 : 1 - Ampihinaniko sakafo ny biby ary ampisotroiko.
2- Fangoraham-po sy fiantrana ny biby, ary tsy hampitondra azy amin'izay tsy zakany.
3-Tsy mampijaly ny biby amin'ny karazana fampijaliana na loza rehetra aho.

V22 : 1 - Mikasa hampatanjaka tena aho eo am-panaovana ny fanatanjahan-tena mba ho fankatoavana an'i Allah sy fitadiavana ny fifaliany.
2-Tsy milalao amin'ny fotoam-pivavahana Swalat aho.
3- Tsymiaraka manao fanatanjahan-tena ny zazalahy sy ny zazavavy.
4-Mitafy ireo lamba fanao amin'ny fanatanjahan-tena izay manarona ny henatro.
5-Manalavitra ny fanatanjahan-tena voarara aho, ohatra hoe mamely ny tarehy sy izay mampibaribary ny firafitry ny henatra.

V22 : 1- Ny fahamarinana eo am-pisangisangina fa tsy misy lainga afafy.
2- Ny sangisangy dia tsy ahitana esoeso, fanambaniana, fanararaotana ary fandrahonana.
3- Tsytokony hanao sangy diso tafahoatra.

V24 : 1- Fametrahana ny tànana na lamba amin'ny vava sy orona rehefa mihevina.
2- Misaotra an'i Allah rehefa avy mievina ka miteny hoe : "ALHAMDOULILLAHI".
3- Ary izay akaiky eo dia miteny amin'ilay namany nihevina hoe: "YARHAMOIKALLAHO". Izay midika hoe : Tompo Allah anie hamindra fo aminao.
Ka rehefa nitenenina an'izany izy dia aoka hamaly hoe :
"YAHDIKOUMOULLAHOU WA YOUSLIHOU BALAKOUM".

V25 : 1- Miezaka manakana mba tsy hanoaka.
2- Tsy mampiaka-peo amin'ny fitenenana hoe : "Ah Ah".
3-Mametraka tànana eo amin'ny vava.

V26 : 1- Ny famakiana amin'ny fahadiovana aorian'ny fanaovana Ouzou.
2-Mipetraha amim-panajana sy amim-pahatokiana.
3-Mangataka fiarovana amin'i Allah mialohan'ny hamaky Coran.
4-Mandinika izay voavakiko.